Talen-tsekoly miisa 2 742 no hisitraka smartphone na finday avo lenta noho ny fiaraha-miasa eo amin’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena sy ny Banky iraisam-pirenena amin’ny alalan’ilay tetikasa fanohanana ny fanabeazana fototra (PAEB). Mitotaly 4 600 ireo talen-tsekoly nahavita fiofanana niaraka tamin’ireo ekipa avy amin’ny foibem-pitondrana misahana ny tantsoroka an-tsekoly sy ny fitsirihana […]
Fiaraha-monina
ONG Ilontsera sy ONG Studio Sifaka: hampiofanina ireo mpanao gazety ho voaaro amin’ny asany
Nampahafantarina omaly, teny Andraharo, ny tetikasa “Manda” tanterahin’ny studio Sifaka sy ny tetikasa Mahaloke, tanterahin’ny Ilontsera, samy tohanan’ny Unesco. Samy miompana amin’ny fiarovana ny mpanao gazety mandritra ny asa fitrandrahana vaovao amin’izao vanim-potoanan’ny fifidianana izao ny tetikasa “Manda” sy “Mahaaloke”. Ny tetikasa “Mahaaloke” tanterahin’ny ONG Ilontsera dia hampahalala ny mpanao […]
Vokatry ny fiakaran’ny ranomasina: 244 ireo traboina ao Saint Augustin
Niakatra ny ranomasina tao amin’ny kaominina Saint Augustin, distrikan’i Toliara II. Araka ny tatitra nataon’ny lehiben’ny distrikan’i Toliara II, voaray teny anivon’ny Birao nasionaly misahana ny loza sy ny tandindon-doza (BNGRC), namela takaitra ho an’ny mponina sy ny fihariany izany. Trano 141 simba sy dobo rano, 30 koa ny lakana […]
Fangatahana ny tanin’ny Cnarp : hitondra ny raharaha eny anivon’ ny fitsarana ny tomponandraikitra
Nanao fanambarana ireo mpikaroka mivondrona ao amin’ny ACE fa manimba ny fikarohana ny fangatahan’ny olon-tsotra ny tanin’ny Cnarp eny Ambodivoanjo Ambojihatovo. Mpianatra an-jatony isan-taona koa no manatontosa fanadihadiana sy fikarohana amin’ilay velarana misy ny fambolena zava-maniry. Mivoatra ny raharaha fangatahan’ny olon-tsotra ny tany mirefy 9 000 m toradroa an’ny Ivontoerana […]
Fikambanana Masoandro Mody : maro ireo liana tamin’ny fitiliana fitadidiana
Nomarihina, omaly, teny Andrainarivo ny Andro maneran-tany iadiana amin’ny aretina Alzheimer sy ny mitovy aminy. Nifantoka tamin’ny fitiliana ny fitadidiana ny hetsika. Olona 110 ireo nisoratra anarana mialoha hiatrika izany. Tsapa fa liana amin’ny fandraisana an-tanana ny fahasalaman’ny atidoha sy ny saina ny olona. Tsy ny zokiolona irery fa efa […]





