Tolotra ara-pahasalamana ho an’ny mponina eny Ambohidratrimo no notanterahin’ireo sinoa dokotera sy mpandidy, ny zoma teo. Ankoatra ny fizaham-pahasalamana ankapobeny, nanatanteraka fandidiana maika sy fizahana momba ny maso, sofina ary ny ativava koa izy ireo. Teo ihany koa ny fitsaboana manokana ny taovam-pananahana sy ny fitiliana ny soritraretina any amin’ny […]
Fiaraha-monina
Fandaharanasa “Apprendre” : tsapaina ny fahafehezan’ny mpampianatra ny teny frantsay
26 ny firenena hanatanterahana ny fandaharanasa “Apprendre” ka anisany i Madagasikara. Manohana ny minisiteran’ny Fanabeazana amin’ireo firenena mpisitraka ny AUF sy ny Agence française de développement mamatsy vola ny fandaharanasa. Manatanteraka fitsapana ny lentam-pahaizan’ny mpampianatra momba ny teny frantsay ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena miaraka amin’ny “application Apprendre-ev@ lang”. Voakasiky ny hetsika […]
«FORUM HANDICAP EMPLOI» : Hodinihina ny fahasembanana sy ny asa
Hotanterahina eo amin’ny Lapan’ny Tanàna Analakely, ny 28 – 29 septambra izao, ny « Forum Handicap Emploi », andiany voalohany. Hetsika ahafahan’ireo fikambanan’ny olona manana fahasembanana sy ireo sehatrasa ho an’ny olona manana fahasembanana ary ireo mpampiasa mihaona. Tanjona ny fanafoanana ny tsy fitoviana eo amin’ny sehatry ny asa ho […]
Vontovorona : raikitra ny fitokonan’ ny mpianatra
Naneho ny hatezerany ireo mpianatra eny amin’ny Polyteknika Vontovorona, omaly, ka nanao fitokonana fanairana ny tomponandraiki-panjakana. Niato nandritra ny 3 volana ny fampianaran’izy ireo noho ny grevin’ny mpampianatra mpikaroka izay tsy mbola ahitam-bahaolana hatramin’izao. Mitaky ny fiverenan’izany fampianarana izany haingana ny mpianatra. Tsy manaiky ny hanerena ny famitana ny taom-pianarana […]
Sempama : mijoro manohitra ny tsy fanarahan-dalàn’ny minisitera mpiahy
Mafanafana indray ny sehatry ny fanabeazana. Naneho hevitra momba ny fahitana ireo olana samihafa miseho eo anivon’ny minisitera misahana izany ny sendikà. Misy ny mpampianatra Fram voaray ho mpiasam-panjakana, amin’ny andiany fahavisy, tsy mbola naharay ny fifanarahan’asa avy amin’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena hatramin’ny omaly. Efa nalain’ny Cisco teny anivon’ny Dren ny […]





