Fiaraha-monina

Fandaharanasa “Apprendre” : tsapaina ny fahafehezan’ny mpampianatra ny teny frantsay

26 ny firenena hanatanterahana ny fandaharanasa “Apprendre” ka anisany i Madagasikara. Manohana ny minisiteran’ny Fanabeazana amin’ireo firenena mpisitraka ny AUF sy ny Agence française de développement mamatsy vola ny fandaharanasa. Manatanteraka fitsapana ny lentam-pahai­zan’ny mpampianatra momba ny teny frantsay ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena miaraka amin’ny “application Apprendre-ev@ lang”. Voakasiky ny hetsika […]

«FORUM HANDICAP EMPLOI» : Hodinihina ny fahasembanana sy ny asa

Hotanterahina eo amin’ny Lapan’ny Tanàna Analakely, ny 28 – 29 septambra izao, ny « Forum Handicap Emploi », andiany voalohany. Hetsika ahafahan’ireo fikambanan’ny olona manana fahasembanana sy ireo sehatrasa ho an’ny olona manana fahasembanana ary ireo mpampiasa mihaona. Tanjona ny fanafoanana ny tsy fitoviana eo amin’ny sehatry ny asa ho […]

Vontovorona : raikitra ny fitokonan’ ny mpianatra

Naneho ny hatezerany ireo mpianatra eny amin’ny Polyteknika Vontovorona, omaly, ka nanao fitokonana fanairana ny tomponandraiki-panjakana. Niato nandritra ny 3 volana ny fampianaran’izy ireo noho ny grevin’ny mpampianatra mpikaroka izay tsy mbola ahitam-bahaolana hatramin’izao. Mitaky ny fiverenan’izany fampianarana izany haingana ny mpianatra. Tsy manaiky ny hanerena ny famitana ny taom-pianarana […]

Sempama : mijoro manohitra ny tsy fanarahan-dalàn’ny minisitera mpiahy

Mafanafana indray ny sehatry ny fanabeazana. Naneho hevitra momba ny fahitana ireo olana samihafa miseho eo anivon’ny minisitera misahana izany ny sendikà. Misy ny mpampianatra Fram voaray ho mpiasam-panjakana, amin’ny andiany fahavisy, tsy mbola naharay ny fifanarahan’asa avy amin’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena hatramin’ny omaly. Efa nalain’ny Cisco teny anivon’ny Dren ny […]

Fandrakofana vaovao mandritra ny fifidianana : mpanao gazety 35 manerana ny Nosy miofana eto Antananarivo

Miatrika fiofanana etsy Ankerana, Antananarivo, ireo mpanao gazety 35 (avy amin’ny sehatra samihafa) mane­rana ny faritra maro eto Madagasikara. Maharitra efatr’andro, nanomboka omaly ary hifarana ny zoma izao, izany. Miompana amin’ny fahafahana mandrakotra vaovao ara-drariny sy manaraka ny etika mandritra ny zotram-pifidianana ny fiofanana. Tanjona ny hahafehezan’ny mpanao gazety ny […]