Nisitraka ny tolotra ara-pahasalamana manakaiky vahoaka maimaimpoana ireo mponina avy eny amin’ny Boriborintany fahefatra, omaly. Tonga nanatrika ity hetsika ity ny ben’ny Tanànan’Antananarivo Renivohitra, Andriantsitohaina Naina. Notanterahina nanomboka omaly, haharitra hatramin’ny zoma 22 septambra 2023, eny amin’ny Boriborintany fahefatra, fokontany Mandrangobato, ny hetsika ara-pahasalamana manakaiky vahoaka. Tolotra ara-pahasalamana maimaimpoana tafiditra […]
Fiaraha-monina
Kaominina Ivato : nahazo CEG sy dabilio manara-penitra ny mpianatra
Natolotra tamin’ny fomba ofisialy hianaran’ny mpianatra ny CEG eny amin’ny kaominina Ivato, izay nasiam-panavaozana tanteraka, omaly. Lasa 15 ny efitranon-tsekoly raha 10 monja teo aloha. Efa notataovan-doza ireo mpianatra noho ny fahanteran’ny fotodrafitrasa. Antony nahatonga ny fanjakana, tamin’ny alalan’ny faritra Analamanga, tarihin’ny governora Rasoamaromaka Hery, nanapa-kevitra nanavao tanteraka ny toerana, […]
Faritra Analanjirofo : nohavaozina ny drafi-pitantanana ny loza
Natao ny herinandro lasa teo ny atrikasa nitondrana fanavaozana ny drafitra manokana mikasika ny fitantanana ny loza sy ny tandindon-doza (PCR), ho an’ny faritra Analanjirofo. Nitarika ny asa ny prefen’i Fenoarivo Atsinanana, nandraisan’ireo talem-paritra sy ny lehiben’ny distrika rehetra ary ny solontenam-panjakana isan’ambaratongany anjara. Fotoana iray nahafahan’ny mpiantsehatra ao an-toerana […]
Atrikasa momba ny fanabeazana : mpisehatra 660 nifanakalo traikefa
Nahafahana nanombana ny ezaka natao tao anatin’ny fanantanterahana ny teti-pivoarana ho an’ny fanabeazana (PSE 2018-2023) ny atrikasa « revue thématique ». Natomboka ny taona 2017 ny PSE, ho fanatsarana ny rafi-pampianarana eto amintsika manomboka eny amin’ny akany fibeazana hatramin’ny fampianarana ambony. Nikarakara ny atrikasa ny fihanaomben’ny mpisehatry ny fanabeazana (PNPSE), […]
Filoha mpisolo toerana : manamafy ny fitakiana ireo firaisamonim-pirenena 41
Manoloana ny zava-misy mahakasika ny raharaham-pirenena eto Madagasikara, nanao fanairana ny Rohy sy ireo fikambanana samihafa. Namerina ny antso avo ho an’ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC) indray ireo firaisamonim-pirenena 41, teny Ambatonakanga, omaly 18 septambra. Araka ny fanambarana nataon’izy ireo, tokony miverina amin’ny fanapahan-keviny ny HCC. Mametraka ny […]





