Nanomboka omaly hatramin’ny faran’ny herinandro ny fitsinjarana ny vola fisotroan-dronono ho an’ireo zokiolona ho an’ity volana septambra ity, araka ny tetiandro navoakan’ny tahirimbolam-panjakana. Ho an’ny eny amin’ny perceptions principales sy ny Trésorerie principale intercommunale (Tpic) ary ny Trésorerie principale eto Analamanga dia ny laharana miafara amin’ny 0, 1, 2 no […]
Fiaraha-monina
Toby fitaizana ny zaza kambotin’ny polisy : nanolotra fitaovana ny masoivoho amerikanina
Nitondra fanampiana ho an’ny ivontoerana fitaizana zaza kamboty sahanin’ny polisim-pirenena any Ambatolampy ny masoivoho amerikanina, i Claire Pierangelo, omaly. “Nifanandrify tamin’ny faha-22 taona nisian’ilay asa fampihorohoroana niseho tany Etazonia ny fotoana”, hoy ny tomponandraikitry ny fiarovana ao amin’ny masoivoho amerikanina, i Rick Hays. “Ny fanabeazana no tsara indrindra entina mioitra […]
Mpampianatra avy amin’ny ENS : hozaraina, anio, ny fifanarahana arakasa
Araka ny fampanantenan’ny fanjakana, hiroso amin’ny fizarana fifanarahana arakasa ho an’ireo mpampianatra nivoaka teny amin’ny Ecole normale supérieure (ENS) ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena. Hotanterahina amin’ny fidirana ofisialy, taom-pianarana 2023-2024, anio, izany. Fifanarahana 816 no efa vita sy hozaraina ka any amin’ny Dren Vakinankaratra, ao Antsirabe, no hisantarana izany, anio. Hitohy any […]
Cisco Antananarivo Renivohitra : vitsy ny ray aman-dreny mahaloa manontolo ny latsakemboka Fram
Hatao any amin’ny Cisco Antsirabe, ao amin’ny kianja Velodrome, ny fanombohana amin’ny fomba ofisialy ny taom-pianarana 2023-2024, miaraka amin’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena, anio. Vita ny herinandro voalohany nisantarana ny taom-pianarana 2023-2024 ho an’ny sekolim-panjakana sy ny sekoly tsy miankina sasany. Mbola mitohy ny fisoratana anarana ho an’ny mpianatra izay mbola tsy […]
Maison Aina Ambatolampy : nahazo fitaovam-pianarana ny ankizy sahirana
Nisitraka fitaovam-pianarana ireo mpianatra manala fanadinana eo anivon’ny Epp Ampasanisadoda sy ireo ankizy sahirana ao amin’ny Maison Aina Ambatolampy Antananarivo, ny sabotsy lasa teo. Niara-nanolotra izany, ny Rotaract Club Antananarivo Faneva sy ny Leo Club Antananarivo Mitantsoa ary ny Sodim. Hetsika “Andrin’ny hoavy”, hanampiana ireo ankizy sy hanasoavana ny mpiara-belona […]





