Hotanterahina any Toamasina, ny 25 septambra izao, ny fankalazana ny Andro maneran-tanin’ny farmasianina. “Ny farmasianina manamafy ny rafitra ara-pahasalamana” no lohahevitra voizina amin’izany. Tolotra ara-pahasalamana maimaimpoana manoloana ny Lapan’ny tanàna ho an’ny mponina any Toamasina no hanamarihana izany. Eo koa ny fitiliana diabeta sy tazomoka, fanaovam-baksiny miaro amin’ny lefakozatra, vaksiny […]
Fiaraha-monina
Ambatomaro : fiarabe nibahan-dalana, niteraka korontana
Raikitra ny savorovoro teo amin’ny mponina sy ny mpiasa mpamilina fiarabe iray nibahan-dalana vavahadin’olona teny Ambatomaro, omaly. Manao asa ao amina orinasa iray eny an-toerana ity fiarabe ity saingy tsy misy toerana afaka hijanonany ao amin’ny orinasa. Voatery mipetraka eny ivelany teo anoloan’ny vavadin’olona sady lalana ifamezivezen’ireo mponina ity fiarabe […]
Rabearimanana Gabriel : nanolotra boky haren-tsaina ho an’ny CUA
Karazam-boky maro mirakitra tantara sy haren-tsaina no natolotry ny fianakavian-dRabearimanana Gabriel ny CUA, omaly. Natao omaly, tetsy amin’ny Lapan’ny tanànan’ Antananarivo Renivohitra, ny fanolorana ireo boky nosoratany sy tahirin’ny profesora Rabearimanana Gabriel ho an’ny tranombokin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra. Nandray izany ny ben’ny Tanànan’Antananarivo Renivohitra, Andriantsitohaina Naina sy ny talen’ny kolontsaina […]
Natokana ho an’ny daholobe : andiany faharoa ny vaksiny miaro amin’ny polio
Niditra amin’ny andiany faharoa indray ny vaksiny miaro amin’ny aretina lefakozatra ho an’ny daholobe, nanomboka omaly ary haharitra hatramin’ny zoma izao, manerana ny Nosy. Nampidirina ho anisan’ny mpisitraka ny olon-dehibe satria hita tamin’ny fanadihadiana fa nisy olon-dehibe lasa nalemy tampoka vokatry ny fahazoany ny tsimokaretina «polyovirus». Vokatry ny fiparitahan’ny tay […]
English Club: mpitantana 26 nahavita fiofanana
Mpitantana English Club miisa 26 avy ao Antsiranana no nahavita fiofanana notarihin’ny Dr Kathleen Malu, avy amin’ny William Paterson University ao Etazonia, ny faran’ny herinandro teo. Nokarakarain’ny masoivoho amerikanina ny fiofanana ary nizarana azy ireo ny torohay sy teknika mahomby amin’ny fitarihana sy fanentanana ny English Club. Ankoatra ny fampahafantarana […]





