Fiaraha-monina

CUA-Hetsika manakaiky vahoaka: olona 400 nizaha fahasalamana teny Avaradoha

Mitohy hatrany ny hetsika ara-pahasalamana manakaiky vahoaka, karakarain’ny kaominina Antananarivo Renivohitra ho an’ny mponina eny anivon’ny fokontany manerana ny boriborintany enina. Nanomboka ny talata lasa teo hatramin’ny omaly, nisitraka izany ireo mponina avy ao amin’ny fokontany Avaradoha, anatin’ny boriborintany fahatelo. Nahitana ireo tolotra toy ny fizaham-pahasalamana amin’ny ankapobeny; fitiliana diabeta; […]

Fanafarana menaka: afaka amidy hatrany amin’ny 6  000 Ar ny litatra

Nanao tatitra ny fivoaran’ny rahararaha mikasika ny fanafarana menaka ataon’ny orinasa DMC indray omaly, ny mpisolovava, Ramaroson Tantely sy Ravonjiarivelo Victorine ary Andriamparanirina Fanaja, tetsy Ampahibe . Eny amin’ny fitsarana fandravana ny raharaha amin’izao fotoana. Miaina am-pitaintainana ny olona arovan’izy ireo noho ny antony maro. Afaka mivarotra menaka hatramin’ny 6 […]

Tsena Coum 67ha: “Tokony halana ireo mpivarotra tsy ara-dalàna”

Vita ny fotodrafitrasan’ny tsenan’ny Coum 67ha  nasiam-panavaozana. Efa niverina nivarotra ao an-toerana ireo mpivarotra 2 200 mahery, nafindra vonjimaika teny Andohatapenaka. Misedra olana goavana anefa ireto mpivarotra ao anaty tsena ireto noho ny fisian’ireo mpivarotra tsy ara-dalàna mibahana sy manelingelina ny fidiran’ny mpividy ao an-tsena. Mijanona any ivelany avokoa ireo […]

MUSEA: olona 2 000 efa nisitraka ny fandaharanasa amerikanina

Tanjon’ny fikambanana MUSEA ny hampita ny soatoavina amin’ny tanora malagasy : fanetren-tena, fahitsiana, tamberin’andraikitra ho an’ireo izay vonona hisitraka ny fandaharanasa tohanan’ny governemanta amerikanina.     2 000 eo ho eo ireo olona nisitraka ny fandaharanasa natolotry ny governemanta amerikana, mivondrona anatin’ny “Madagascar-United States Exchange Alumni (MUSEA)”, tohanan’ny masoivoho amerikana eto Madagasikara sy Kaomoro. […]

Tetikasa « Produir »: misitraka ny fahadiovan’ny lakandrano C3 ny mponina

Notanterahina omaly teny amin’ny fokontany Mandrangobato Anosibe ary hitohy anio eny Ankasina ny andro natokana ho fiaraha-mientana amin’ny mpiara-miombon’antoka amin’ny tetikasa Produir.  Fotoana nanombohana sy namaritana ny toerana izay hiasana ary fametrahana ireo marika sy takelaka maro samihafa, mba hahafahan’ny tetikasa « Produir » manomboka no natao omaly, teny Anosibe. Teo koa […]