Mila ampitomboina ny vola atokana ho an’ny fampisakafoana an-tsekoly, hahazoana mampiakatra ny isan’ny mpisitraka satria iankinan’ny fahombiazan’ny fanabeazana. Minisitera maromaro no voakasiky ny fanomezana sakafo, ka zava-dehibe ny fandrindrana ny asa rehetra, manomboka amin’ny fitsinjarana ny vola eny ifotony hatramin’ny fividianana ny vokatra ary ny fitantanana ny toeram-pisakafoana. Hapetraka koa […]
Fiaraha-monina
Fahasalamana: ireo tranga mandrisika ny aretina Alzheimer
Maro ireo tranga mety hahatonga ny aretina Alzheimer aloha loatra ka mila tandremana. Misy ny fitiliana ny fitadidiana ahafantarana ny mety mampiahiahy. Mbola ao anatin’ny iray volana ho an’ny aretina Alzeimer mandritra ity septambra ity. Nampahafantatra ireo karazana tranga mandrisika ity aretina ity indray ny fikambanana Masoandro Mody, tamin’ity herinandro […]
Vady miaramila (FIVAMI): “Tsy mifidy salan-taona ny diabeta”
Mitohy ny fizahana fahasalamana tarihin’ny FIVAMI. Notsirihina manokana ny momban’ny aretina diabeta. Tsy mifidy salan-taona ary miteraka fahajambana sy fahasimban’ny voa mety hiafara amin’ny fanaovana hémodialyse ny aretina diabeta, araka ny nambaran’ny tomponandraikitra eo anivon’ny AMADIA, ny Dr Haja Ramonjisoa, omaly. Ho fitohizan’ny hetsika efa natomboky ny Fikambanan’ny Vady Miaramila […]
Fampidirana mpianatra garabola Mila omanina ara-tsaina ny ankizy madinika
Nitondra fanazavana ny psychologue , Rajaonarivnyo Holitiana, mikasika ny fanomanan-tsaina tokony hatao amin’ny ankizy madinika vao hisantatra ny sekoly. Mitaky fanomanana ara-tsaina mialoha be ny fampidirana ny ankizy madinika any amin’ny garabola, izay isantarany ny lakilasy. Manomboka eo no isarahany amin’ny ray aman-dreniny voalohany, ialany amin’ny tontolo mahazatra azy ary […]
Ivontoeram-pikarohana momba ny fanafody: tsy manaiky hakana ny tany misy zava-maniry hitsaboana
Misy olon-tsotra mangataka ny velaran-tany 9 000 m2 anatin’ny faritra misy ny Ivontoeram-pikarohana mahakasika ny fanafody (Cnarp). Mirongatra amin’izao fotoana izao ny fangalarana ny tany ampiasaina ho an’ny fikarohana eto Madagasikara ka tsy manaiky izany ny minisiteran’ny Fampianaran ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, hoy ny fanazavan’ny tale jeneralin’ny fikarohana ara-tsiansa eo […]





