Fiaraha-monina

Fitantanana ny loza : navondrona ny tanora, ny fiarahamonina sivily

Nisy hetsika fanatanjahantena sy kolontsaina ary ara-piarahamonina natao hampivondronana ny tanora sy ny firaisamonim-pirenena. Misy fikambanam-behivavy maro isan-tsokajiny. Nampiana fanentanana hifanomezana tanana sy hampandraisana anjara ny tsirairay amin’ny andraikitra eny ifotony mikasika ny fiarenana taorian’ny fandalovan’ireo rivodoza nifanesy tamin’ny taom-pahavaratra 2021 ka hatramin’ny 2023 ny hetsika rehetra. Tanjon’ny fikarakarana ny […]

Ankizy sambany hiditra an-tsekoly : “Mila fanomanana ara-tsaina mialoha”

Miantoka ny fahombiazan’ny taom-pianarana ampian’ny fitiavan’ny ray aman-dreny ny vaninandro fidirana. Mitondra torohevitra ny mpanolotsaina pedagojika. “Mila fanomanana ara-tsaina ny fidiran’ny mpianatra sam­bany handia sekoly”, hoy ny mpanolotsaina pedagojika sady “psychothérapeute”, Rasoanindrina Marguerite, omaly. 6 taona no tokony hiditra hianatra ny zaza fa fanazarana sy famohazana ny vavahadintsaina ny alohan’izay. […]

Asief – Toamasina : mikorontana ny fifamoivoizana

Mikorontana tanteraka ny fifamoivoizana eto an-drenivohitr’i Toamasina, ateraky ny fitomboan’ny olona sy fiara noho ny fifaninanana ara-panatanjahantena ho an’ny mpiasam-panjakana (Asief). Tsy tambo isaina ny lozam-pifamoivoizana raha tsy hilaza afa-tsy ny bajaj nandona polisy nitondra moto tetsy amin’ny “rond point” Morafeno, ny alin’ny alatsinainy teo, tokony ho tamin’ny 7 ora […]

MDN : nankahery ny mpilalao tenisy

Tonga nankahery ireo atleta malagasy handray anjara amin’ny lalaon’ny Nosy 2023 hatao eto amintsika ny minisitry ny Fiarovam-pirenena (MDN), ny Jly Rakotoarijaona Josoa sy ny minisitry ny Asa vaventy, ny Kly Ndriamihaja Andrianatrehina Livah ary ny minisitry ny Asa tanana sy ny haitao, Ratsiraka Sophie. Ireto minisitra ireto no mpiahy […]

Boriborintany V : 50 ireo ankizy nahazo fampianarana kabary sy kilalao malagasy

Nisokatra omaly alarobia ny andiany voalohany amin’ny fampianarana kabary sy kilalao malagasy eny anivon’ny boriborintany enina eto Anta­na­narivo. Hetsika karakarain’ny Fitaleavana misahana ny haikanto, kolon­tsaina ary ny fiainam-piarahamonina eo anivon’ny CUA sy ny Manda mpikabary. Tilina sy andrasana amin’izany, ireo ankizy latsaky ny 15 taona. Tonga maro ireo ankizy nandritra ny […]