“Tsy ho voafehy zato isan-jato ny tsy fandriampahalemana saingy efa tsapa kosa ny fihenan’izany eto Menabe…”, hoy ny fanazavan’ny kaomandin’ny vondron-tobim-pileovan’ny zandarimaria Menabe, ny Kly Andrianarivo Rianatsiory. Azo lazaina fa milamina! Toerana anisan’ny mahasarika mpizahatany maro i Morondava, faritra Menabe. Ho an’ireo hitsidika ny tsingin’i Bemaraha dia lalana andalovana mihazo […]
Fiaraha-monina
Fanadinana bakalorea – Toamasina : vinavinaina hivoaka ny 17 aogositra ny valiny
Nifarana ny zoma faha-28 jolay teo ny fitsarana ny taratasim-panadinana bakalorea, Toamasina I, ho an’ny fampianarana ankapobeny tetsy amin’ny Lisea Jacques Rabemananjara. Efa miditra amin’ny fampidirana ireo naoty anaty solosaina ny tomponandraikitra ary mbola hisy fanamarinana farany. Raha ny teo amin’ny taranja Tantara sy Jeografia izay ahitana taratasim-panadinana roa, samy […]
« Teach For Madagascar » : mpilatsaka an-tsitrapo 50 nahavita fiofanana
Notanterahina tao amin’ny efitranon’ny orinasa Telma Andraharo ny lanonana andiany faha-10, fizarana taratasy fanamarinana ny fahavitan’ny fiofanana sy ho fankasitrahana an’ireo mpilatsaka an-tsitrapo izay nofanin’ny «Teach For Madagascar» (TFM). Miisa 50 mianadahy izy ireo no nahazo ny mari-pankasitrahana rehefa nanaraka ny fiofanana tamin’ny fandaharam-potoana «Taly Corps», «Diary Nofy» ary «Kolo […]
Vovonan’ny firaisamonim-pirenena HINA : hitohy ny fitondrana vahaolana mandritra ny hamehana
Manana vina roa goavana ny Vovonan’ny firaisamonim-pirenena misehatra ho an’ny fanjarian-tsakafo (HINA), mandritra ny telo taona ho avy. Zava-dehibe ny fanetsehana ny loharano olona sy vola hanatanterahana ny asa eny ifotony. Hitohy ho an’ny telo taona manaraka handraisan’ny mpikambana vaovao ao amin’ny Vovonan’ny firaisamonim-pirenena misehatra ho an’ny fanjarian-tsakafo (HINA) ny […]
Mihamafy ny fitokonana : hanampy ny Seces ny FDSP
Nivoitra tao anatin’ny fivorian’ny Seces, sampana Antananarivo, ny alatsinainy teo, fa mitohy hatramin’ny 7 aogositra izao ny oniversite maty. Tsy misy mpampianatra hampiodina eny amin’ireo fakiolte rehetra. Tetsy andaniny, namoaka fanambarana ihany koa ny fakiolten’ny lalàna sy ny siansa politika (FDSP) fa hiombom-po haneho firaisankina amin’ny Seces ka hampitsahatra ny […]





