Fiaraha-monina

Orange Solidarité-UNFPA : hanohana ny vehivavy

Hifanohana ny Orange Solidarite sy ny UNFPA ary ny orinasa Orange Madagascar ho fampiroboroboana ny fizakan-tenan’ny vehivavy sy ny tovovavy amin’ny fikirakirana ny nomerika. Hanampy sy hampitaovana ireo tranon’ny tanora manerana ny faritra maro ny roa tonta amin’ny fanomezana “connexion”, fanofanana sy ny famakiam-boky. Eny anivon’ireo tanàna Orange, hanofana ireo […]

ONN sy FAO : mamolavola boky torohay hahaizan’ ny isan-tokantrano mahandro

Azo ovaovaina ny sakafo ho an’ny isan-tokantrano amin’ny vokatra misy eo aminy isam-paritra. Hamolavola boky torohay mifandraika amin’izany ny teknisianina. Hanohana teknika ny Ofi­sim-pirenena ho an’ny fanjarian-tsakafo (ONN) ny Sampandraharahan’ny Fi­re­nena mikambana momba ny sakafo sy ny fambolena (FAO) mandritra ny roa taona ho avy. Hiompana amin’ny fanentanana ny fianakaviana […]

Polisin’ala : Mendrika omena hasina

Marihina isaky ny 31 jolay 2023, ny Andro maneran-tany ho an’ny polisin’ala. Mandray anjara amin’izany fanamarihana izany ny ONG Impact Madagascar sy ny mpiara-miasa aminy amin’ity taona ity, hetsika izay eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovain-jafy (MEDD). Tanjon’ny hetsika ny fanomezana hasina sy ny toerana sahaza […]

Ady amin’ny famarinan’olona : mitentina 2 tapitrisa dolara ny vola enti-miasa

Ny faran’ny herinandro teo no nanamarihana ny Andro maneran-tany hiadiana amin’ny famarinana olombelona. Misy ny tetikasa mitentina 2 tapitrisa dolara hotanterahina, izay vatsin’ny governemanta amerikanina, hiadiana amin’zany famarinana olona izany. Hanampy ireo mpitandro filaminana hahazo ny fiofanana ilainy ity tetikasa ity. Hahafantarany ny famarinana amin’ny endriny rehetra, sy hahaizany misafidy […]

Tetikasa « Produir » : nampitaovana ny kaominina efatra

Notanterahina omaly, tao amin’ny foiben’ny Produir, etsy Manakambahiny, ny fanolorana amin’ny fomba ofisialy ireo fitaovana ho an’ny kaominina Antananarivo Renivohitra, ny kaominina Bemasoandro, Andranonahoatra, Anosizato Andrefana, ary ny Rafitra fikojakojana ny rano sy ny fahadiovana (RF2) tafiditra ao anatin’ny fanatanterahana ny tetikasa «Produir». Fitaovana entina mifanerasera 55, fitaovana fandraofana fako […]