«Mbola hahazo vahana ny zavona maraina eto amin’ny faritry ny afovoantany rehefa maraina ho an’ny telo andro voalohany», hoy ny sampana famantarana ny toetry ny andro, omaly. Raha ny anio, ny fandalovan’ny rindrin-drahona ao atsimon’ny Nosy no mamaritra ny toetry ny andro. Hiakatra ny maripana ambony indrindra ho an’ny ilany […]
Fiaraha-monina
Bakalorea 2023 : hiatrika ny taranja filôzofia ny mpiadina 215 630, anio maraina.
Hanomboka anio, ary haharitra hatramin’ny zoma izao, ny Bakalorea ho an’ny fampianarana ankapobeny sy ny dingana voalohany ho an’ny sampana teknika. Hanomboka amin’ny 6 ora sy sasany maraina ny fiantsoana anarana ho an’ny mpiadina Bakalorea, anio. Hiatrika ny taranja voalohany filôzofia, ny tapany maraina, ny mpiadina. Afaka nijery ny efitrano […]
Mpianatra doctorant : “Tsy azo terena hikarakara Bacc”
Manoloana ny teny midina avy amin’ny tomponandraikitry ny oniversiten’Antananarivo fa tsy maintsy manampy ny sampandraharaha mikarakara ny fanadinana ireo mpianatra taona voalohany manomana “doctorat” ka hisahana andraikitra mandritra ny fanadinana bakalorea manomboka amin’ ny alatsinainy ho avy izao. Nanao fampahafantarana ny sendikàn’ny mpampianatra mpikaroka (Seces), sampana Antananarivo, omaly, fa tsy […]
BEPC: tsara ny vokatra ho an’ny faritra Atsinanana
Tsara ny voka-panadinana BEPC ho an’ny faritra Atsinanana, raha ireo efa nahazoana vokatra ofisialy. Ho an’ny fari-piadidiam-pampianarana Toamasina I, nahatratra 60,76 % ny taham-pahafahana, raha 54,97% ny taon-dasa. 5 569 ny mpianatra voasoratra anarana ka 286 tsy tonga niatrika fanadinana. Nohamafisin’ny lehiben’ny fari-piadidiam-mpampianarana Toamasina I, Mara Sylvie fa nisy ny […]
Zava-mahadomelina : sarotra tsaboina ny fiankinan-doha
Niompana tamin’ny fiankinan-doha amin’ny zava-mahadomelina, ny antony sy ny voka-dratsiny, ny lohahevitry ny fivoriana siantifika fahavalo, omaly, teny amin’ny Akademia Malagasy, Tsimbazaza. Noho ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina, indrindra ny héroïne (rôrô), eto amintsika tato ho ato no nikarakaran’ny «Société malagasy de psychiatrie» (Somap) ny hetsika . Mitarika fiankinan-doha ara-batana sy ara-tsaina […]





