Fiaraha-monina

Taranja Tantara sy Jeografia Bakalorea : haverina ny zoma izao ny adina »

Nandray fanapahan-kevitra ny eo anivon’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony fa haverina ny zoma izao ny adina eo amin’ny taranja Tantara sy Jeografia ho an’ny sokajy A1, A2, C ary ny D. Niaiky ny minisitry ny Fampianarana ambony fa nisy tokoa ny laza adina nivoaka alohan’ny fotoana. «Vokatr’izay, noraisina ny fepetra nandritra […]

Raindahiny amin’ny fakana an-keriny… : lavon’ny zandary tao Ankazobe i Kekely sy i Mara

Maty voatifitry ny zandary tao Ankazobe, afakomaly, ireo dahalo raindahiny roa lahy antsoina hoe i Kekely sy i Mara. Tratra teny amin’izy ireo ny basim-borona sy odiratsy marobe. Voarohirohy ho tompon’ antoka tamina halatra omby sy fakana an-keriny ary vonoan’olona tamin’iny faritra Ankazobe iny ireto ma­laso ireto. Ny 17 jolay […]

Bakalorea Toamasina : niaritra ora-mikija ny mpiadina

Tao anatin’ny ora-mikija sy rivotra mifofo mangatsiaka no nivoahan’ny mpiadina hiatrika ny fanadinam-panjakana ho an’ny tanànan’ i Toamasina, ny alatsinainy teo. 13 taona ny mpiadina zandriny indrindra, mpiadina ao Mananara Avaratra “option L”. 63 taona kosa ny zokiny indrindra “Option S” ao Moramanga. Tetsy amin’ny Lycée Jacques Rabemananjara no nanatanterahana […]

Seces Antananarivo : Oniversite maty mandritra ny 3 andro

Tapitra ny fampitandremana, miditra amin’ny « oniversite maty » ny Seces. Henjan-droa ny tady eo amin’ny Seces sy ny fanjakana. Mitebiteby ny mpianatra. Taorian’ny fihaonamben’ ny mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mpa­mpianatra ao anatin’ny Seces Antananarivo, omaly, teny Ankatso dia nanapakevitra izy ireo ny hiditra amin’ny «oniversite maty» mandritra ny telo andro. Mihatra manomboka […]