Tafiditra amin’ny fandraisana zava- mahadomelina ny tanora amin’izao fotoana izao. Tsy ny sigara sy ny toaka ihany fa hatramin’ny héroïne, araka ny fanadihadiana tany Toamasina. Hitan’ny tomponandraikitry ny «service psychiatrique» eo anivon’ny CHU Analakininina, Toamasina fa maro ny ray aman-dreny mitondra ny zanany hozahan’ ny mpitsabo satria manana olana any […]
Fiaraha-monina
Faritra Boeny: manameloka ny fivoizana ny LGBT
Namaky bantsilana ny fanamelohany ny fivoizana ankarihary ny resaka LGBT (Lesbiennes, gay, bisexuel et transgenre) ny governoran’ny faritra Boeny, Andriantomanga Mokhtar Salim, nandritra ny fananganan-tsaina nataon’izy ireo ny fiandohan’ity herinandro ity. Hentitra izy nilaza fa tafahoatra ny fanelezana ny resaka olona mitovy fananahana mivady sy ireo manova taovam-pananahana amin’ny haino […]
Tetikasa “Fandraharahana”: 30 ireo maintimolaly manaraka fiofanana
Naharitra 3 andro ny atrikasa mikasika ny fandraharahana, tetsy amin’ny masoivoho amerikanina Andranomena. Nanokatra izany ny masoivoho Claire Pierangelo. Tafiditra ao anatin’ny fandaharanasan’ny governemanta amerikanina «U.S. Speaker Program», izay mampifandray manam-pahaizana amerikanina amin’ny mpisehatra matihanina maneran-tany ity natao ity. Amin’ny alalan’ny fanitarana ny tambajotran’izy ireo sy ny fifampizarana traikefa sy […]
Amadia: maherin’ny 50 ireo diabetika efa misy fery ny tongony
Efa trangana fahasarotana amin’ny toe-tena diabetika ny fisian’ny fery amin’ny tongotra. Voatery tapahina izany rehefa tonga amin’ny fetra farany. Mila manaraka an-tsakany sy an-davany ny fanafody sy ny torohevitry ny dokotera ny marary. Mikasika ny hetsiky ny diabetika ny lohahevitry ny fampianarana ataon’ny Amadia, etsy Faravohitra, anio. Ireo olon-dehibe mpikambana […]
USAID-Minisiteran’ny Fahasalamana : mitentina 706 tapitrisa Ar ny fitaovana hiarovana ny fanafody
Nanolotra fitaovana sy kojakoja fampiasa amina laboratoara mitentina 155 000 dolara (706 tapitrisa Ar) ho an’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka ny tale jeneralin’ny USAID Madagascar, Anne N. William, tamin’ity herinandro ity. Hiarovana ny olom-pirenena malagasy amin’ny loza ateraky ny fanafody tsy manara-penitra sy tsy voafehy izany. Hisitraka ny fitaovana mivantana ny sampandraharaha […]





