Nitsidika ny tsenan’i Soanierana ny ben’ny Tanànan’ Antananarivo Renivohitra, omaly. Notsidihana nandritra izany ireo tsenan’ny fokontany III I ao ambany tsena Soanierana sy ny tsenan’ny fokontany III J ary ny fokontany III L Soanierana. Nangatahan’ireo mpivarotra tao amin’ ny tsenan’ny fokontany III I tamin’ny ben’ny Tànana ny mba hanasiana vavahady […]
Fiaraha-monina
Ankorondrano : 546 ireo nisitraka fitsaboana
Mitohy ny hetsika ara-pahasalamana manakaiky vahoaka, karakarain’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra. Nisitraka izany indray ireo mponina avy ao amin’ny fokontany Ankorondrano Andranomahery ao amin’ny boriborintany fahatelo. Nanomboka ny talata teo ary hifarana rahampitso ny hetsika. Tonga nitsidika izany teny an-toerana ny ben’ny Tanànan’Antananarivo Renivohitra, Andriantsitohaina Naina, omaly. Nahatratra 546 mahery ireo […]
CEPE 2023 : voaaro any amin’ny biraon’ny mpitandro filaminana ny laza adina
Araka ny fomba fiasa isan-taona, miasa 24 ora amin’ny 24 ora ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena mandra-pahatapitry ny fanadinana rehetra. Hanafaingana ny famoahana ny valim-panadinana izany. Efa any amin’ny foiben’ ny polisy na ny zandary avokoa ny laza adina rehetra ho an’ny fanadinam-panjakana CEPE, hatao ny talata 20 jona ho avy izao, […]
Zava-mahadomelina : Beazina hiaro tena ny tanora
Nanao hetsika hoentina hanabeazana ireo tanora tsy ho tafiditra amin’ny fidorohana zava-mahadomelina ny zandary avy ao amin’ny zana-tobim-paritra Antanamalaza, Ambatolampy, omaly. Natombok’izy ireo tamin’ny mpianatry ny lisea ao an-toerana izany. Nampahafantarina ireo tanora ny fisian’ny rongony mahery vaika toy ny “héroine” na ny rôrô. Nitondran’ ny lehiben’ny zana-tobim-paritra ao an-toerana […]
Kiady zokiny-Analamanga : nizara akanjo sy sakafo ho an’ny sahirana
Nanatanteraka asa sosialy teny Fenoarivo ny Kiady zokiny (Kimzo) eto Analamanga. Ao anatin’ny fankalazana ny faha-90 taonany hatrany amin’ity taona ity ny fikambanana skoto, Kiadin’i Madagasikara. Taorian’ireo hetsika marolafy nataon’ny birao foibe sy ireo fivondronana maro isam-paritra, nanamarika izany tamin’ny fanatanterahana asa soa teny amin’ny sekoly tsy miankina Lycée Tahiry […]





