Indraimbava

Manomboka sahady  

Somary sadaikatra ihany hanao ny fifampizarana mahakasika ny fanaovana politika, ankehitriny. Mbola tsy nierina akory ny taona dia efa miseho sahady ny adin’ny samy goavana. Mahavariana ny don-tandroka amin’ny endriny samihafa. Baikoin’ny tombontsoan’ny tsirairay ka manadino ny tolona natao teny an-kianja, ho an’ny taninjanaka. Asa! Efa voaongana tokoa ve ny […]

Banja malalaka

  Mampiaiky volana ny herin’ny facebook! Tena zary kianja filalaovan’ny mpiserasera eto Madagasikara ilay izy. Banja malalaka ampy hifanandrinan’ny samy mahery. Na mpitondra na mpanohitra samy mitondra ny lohany. Tsy ahitana taratra izay faharefoana izany mihitsy. Na iza na iza mampiranty toa tampim-pahaizana sy tsy kasi­han’ota izany. Izay mivoaka babany […]

Tia tena

  Mahatsikaritra ireo toetoetran’ny mpanao politika sasany manoloana ny ady seza dia tsy sahy manakombom-bava. Aleo miteny sy mamaky bantsilana ny zava-mitranga marina. Tafahoatra ny tsy fitiavan-tanindrazana ny an’ny sasany fa maika haka seza sy hanao tantely afa-drakotra fotsiny ilay fananam-pirenena sy ny volam-bahoaka. Manjaka ny fitiavan-tena ka mitady hanaotao […]

Fihavaozana ho an’ny rehetra

  Anisan’ny mahoraka indray amin’izao fotoana ny fifan­drohitana politika. Tonga vahiny rahateo ka tsy afa-miala amin’ny fanangonan-kevitra. Misy ny mitazona ny teny nomeny, misy ny efa mivadika sahady amin’ny mpiara-nitolona. Tsy mahagaga rahateo izany fa efa samy ana­tin’ny kajikajin’ny fitadiavan-tseza sy fikatsahana tombontsoa avokoa. Ny an’ny sasany aza efa tonga […]

Tsy mila miolonolona!

  Notanterahina omaly ny fikaonandohan’ny Tafika Malagasy. Nivoitra, tamin’izany, ny fanamafisan’izy ireo ny maha mpandray anjara fototra amin’ny fanavaozana lalina tiana hapetraka eto Madagasikara azy ireo. Maro no tonga namaly ny fanasana avy amin’ny minisitera. Nisy ny am-perinasa sy ny efa nandeha nisotro ronono. Samy mitondra ny anjara biriky avokoa […]