Hanatanteraka kaonseritra lehibe etsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena sy kolontsaina Mahamasina ny tarika Reko, ny alahady 28 desambra ho avy izao. Hetsika karakarain’ny Studio 58. Manomboka amin’ny 3 ora tolakandro ny fampisehoana, entina hanakatonana ny taona 2025. Nampanantena seho vaovao miavaka sy avo lenta indray ny tarika taorian’ny fampisehoana nataon’izy ireo […]
kolon-tsaina
Tanora Masina Itaosy: Eny Ambohimasina ny « Réveillon »
Hifarana tsy ho ela ny taona 2025. Hanatanteraka « Réveillon » ao amin’ny FLM Ambohimasina ny Tanora Masina Itaosy (TMI), ny alarobia 31 desambra, manomboka amin’ny 8 ora alina. « Izahay dia mijoro vavolombelona fa hafa ihany ry zareo izany miandry ny taona vaovao any an-tranon’Andriamanitra izany », hoy ny TMI raha namintina ny […]
Gadona tsapiky: Nosafidiana ho harembakoka eo anivon’ny Unesco
Tsy manam-paharoa maneran-tany ny gadona tsapiky. Feno ny fepetra nandraisan’ny Unesco azy, ho harembakoka tsy azo tsapain-tanana ho an’ny zanak’olombelona. Dingana goavana ho an’ ny zavakanto sy ny kolontsaina malagasy. Voasokajy ho anisan’ireo harembakoka tsy azo tsapain-tanana ho an’ny zanakolombelona eo anivon’ny Unesco ny gadona tsapiky. Fantatra io nandritra ny […]
TARATRY ny KANTO
Miantso ny rehetra hanao sonia ilay “Dinan’ny Gen Z Madagasikara ireo mpanoratra. Nanomboka izany ary nanao ny fanentanana Rakotoson Michèle, Raharimanana Jean Luc ary i Johary Ravaloson, izay samy fanta-daza eo amin’ny tontolon’ny literatiora. Dina izay nangonina an-tambajotra toy ny nitondran’ny Gen Z ny tolona izany, izay mirakitra ny fiarovana […]
Fikarakaram-batana : Efa azo atao eto amintsika ny fambolena volo natoraly
Manomboka mahasarika ny lehilahy ny fambolena volo natoraly «chirurgie capillaire», teknika fampaniriana ny loha sola na ny volo mihintsana. Izany hoe, angalana ny volo ao amin’ny farahatoka ary hambolena izany any amin’ny faritra tiana hanaovana azy », hoy ny mpamorona sady tompon’ny GladTouch, Andrianonenana Gladys. Na izany, mandalo dingana maro […]




