Hosokafana ny tolakandron’ny sabotsy 22 novambra izao ny taom-piantsana 2025-2026 ho an’ny Faribolana Sandratra. Amin’ny alalan’ny antsam-paribolana nampitondraina ny lohateny « Antso laitra », ao amin’ny Cercle Germano-Malagasy, tohatohabaton’Antaninarenina (CGM), no hanatanterahana izany. Araka io lohateny io, tsy hanalavitra ny tontolon’ny fianarana ny lohahevitr’ireo tononkalo hohantsaina amin’io fotoana io. Mahatratra 30 ny […]
kolon-tsaina
Fomban-drazana: Hanandratana ny hasin’ny vahoaka ny “Alakaosibe”
Tsinan’alakaosy, amin’ny fanandroana isa lava. Miezaka mamerina ny “Alakaosibe”, fomba natao hanandratana ny vahoaka ireo mpitana sy mamelo-maso ny fomban-drazana. Fomban-drazana fanao eo amin’ny tsinambolan’ny alakaosy, izany hoe, mijoro eo amin’ny vava andro alakaosy ary reniandro alakaosy ny “Alakaosibe”, raha ara-panandroana. Araka ny fanazavana nomen’ireo mpandala ny fomban-drazana, izay mivondrona […]
Boky: Hivoaka eto an-toerana ny «Valihan’Ikaky»
Ny fangatahan’ireo Malagasy monina any ivelany te hahay ny kolontsainy no anisan’ny nahatonga ny famoahana ny boky « Valihan’Ikaky » voalohany tany ampitan-dranomasina. Ny hetahetan-dry zareo no novaliana mialoha noho ny tsy fisiana na tsy fahampian’ny mpampianatra zavakanto sy kolontsaina any ivelany, raha ny fanazavan’ny mpanoratra. Fantatra, omaly, fa hivoaka eto an-toerana […]
Antso farany ho an’izao tontolo izao : Boky manasongadina ny zava-misy ankehitriny
Antomotra tokoa ve ny fara andro araka ny ambaran’ny sasany? Hanao ahoana tokoa ny hoavy? Fanontaniana maro mpametraka mahakasika indrindra ny zava-misy iainana ankehitriny. Tsy eto Madagasikara ihany fa maneran-tany ireo. Niezaka nitondra valiny narahina fanohanan-kevitra manodidina izany ny mpanoratra Rabemanantsoa Rintsamahefa, anatin’ilay boky nosoratany, Antso farany ho an’izao tontolo […]
TARATRY ny KANTO
Hiverina ny fandaharana « Torak’Hehy ». Vaovao lehibe ho an’ny mpankafy an’ity fandaharana mampihomehy sy mampiala voly, nampalaza ny fahitalavitra TVM tamin’izany fotoanany ity, izany. Ry zalahy ao amin’ny tarika Fou Hehy no nampiaina ny fandaharana « Torak’Hehy », izay naka endrika tantarakely mampihomehy, mandeha isan’andro. Enjehin’ny mpianakavy mihitsy ny lera handehanan’ny fandaharana taloha, […]




