kolon-tsaina

«Festival Madagaslam» : Hetsika 3 mn, hanehoana aingam-panahy

Mahazo vahana ny slam. Hita sy tsapa tamin’ny fanombohan’ny “Festival Madagaslam” ny faran’ny herinandro teo izany, izay hitohy hatramin’ny 6 desambra. Hiavaka ao anatin’izay ny “3 mn”. 3 minitra. Mety ho kely amina fotoana hafa, fa mahavita hampitana hevitra maro kosa ho an’ny mpahay kanto. Hampiavaka ny herinandro faharoa amin’ny […]

« Ankizy Mozika Festival »: Nanasongadina ny taninketsa

Manana ny hoaviny ny mo­zika eto Madagasikara. Izay no tsapa nandritra ny andiany faha-5 tamin’ny «Ankizy Mo­zika Festival», notontosaina teny amin’ny Villa Berlin Amba­toroka, omaly. Hetsika fikarakaran’ny CGM/GZ isan-taona, natao hanasongadinana ny talentan’ireo ankizy amin’ny hira sy mozika izy ity. Hamola­vo­lana ny taninketsa, hizaran’ireo ankizy sehatra, no tena tanjona amin’ny […]

Seho goavana… Mitana ny lazany i Bodo

Hira 50, fizarana 5… Izay dia ampy haminavinana ny endriky ny seho notontosain’i Bodo tao amin’ny Lapan’ny fanantanjahantena, omaly. Namaly ny antson’ity andriambavilanitra manakanto ity ireo mpankafy azy nandritra izay 40 taona izay, ka tsy onina azy ireo indray ny lapa, fandrefesan-daza ho an’ireo mpanakanto. Midika izany fa mitana ny […]

TARATRY ny KANTO

«Ankizy Mozika Festival». Hotonto­saina rahampitso, etsy amin’ny Villa Berlin Ambatoroka, ny andiany faha-5 amin’ny he­tsika ho an’ny ankizy, karakarain’ny CGM/ GZ. Hanomezana sehatra ireo ankizy ma­nan-talenta eo amin’ny mozika izany, amin’ ny hira na amin’ny fiangaliana zavamaneno. Misy ny avy amin’ny sekoly mampianatra mozika, misy kosa ireo manan-talenta hafa. Ho […]

Soatoavina, kolontsaina…: Mila omena laka ny fahasamihafana

Tenenina matetika ny fiovana, fanovana… Fa, tsara ihany koa ny fananana fijery mivelatra. Mila omena laka ny fahasamihafana eo amin’ny soatoavina, fomba amam-panao, sns, mampiavaka ny faritra na toerana tsirairay. Izany hoe, miainga any amin’ny fototra. Ny monina na ireo mitoetra ao amin’ilay toerana na faritra (mpiaramonina) no manome laka […]