kolon-tsaina

TARATRY ny KANTO

Hotontosaina ao amin’ny AFT Andava­mamba, ny sabotsy 18 oktobra izao, ny fifaninanana slam « Nofy maitso », andiany fahefatra. Natao ho an’ ireo mpanao slam mihoatra ny 18 taona izy ity, ary tokony hanomanana sanganasa roa ireo mpifaninana. Manodidina ny lohahevitra tontolo iainana hatrany no hifaninanana amin’izany. Ny roa voalohany amin’ireo mpifaninana […]

« MeinOrt » – CGM Analakely: Ho sehatra hampitain-davitra

Noho izy ao Analakely, akaiky ny toerana misy ny fi­hetsiketsehana amin’izao fotoana izao, ny CGM/GZ. Toy ireo ivokolo rehetra, voatery nanatsahatra ireo hetsika isan-karazany efa voahomana ihany koa izy ireo. Na izany aza, nahita hevitra ny hamerina indray ny tetikasa «Mein­Ort » ny mpikarakara hetsika ao amin’io ivontoerana io, mba hanohizana […]

AFT Andavamamba : Hasongadina ireo boky mampatahotra

Be mpankafy ireo boky anatin’ny sokajy mampatahotra. Manana hetsika manokana ho an’izany rahateo ny AFT Andavamamba. Hampiakarana ny fitiavana ny vakiboky ny tanjona amin’ny ankapobeny. «Thriller ». Hanasoka­jiana ireo tantara mampatahotra, na amin’ny endriny boky, tantara fihaino na sarimihetsika izany. Nanokana hetsika manokana ho an’ireo boky mampatahotra ny AFT Andavamamba. Nahi­tam-pahombiazana […]

Revy Mahaleo : Nahazo ny anjarany Antanetibe Mahazaza

Lalan’ny atody, mpamatsy atody manerana ny Nosy. Izay no tena hahafantarana sy mampalaza ny kaominina Antanetibe Mahazaza. Noho izay indrindra no antony hi­sian’ny hetsika «Fetiben’ny atody», izay niditra tamin’ny andiany fahefatra, ny faran’ny heriandro lasa teo. Na teo aza ny toe-draharaham-pirenena nafana, nafana toy izany koa ny sehon’ny Mahaleo sy […]

TARATRY ny KANTO

Nifamotoana ireo teratany malagasy monina any Paris, France, ny asabotsy teo. Nanatontosa ny «Takariva soatoavina malagasy» izy ireo. Izay nifandimbiasan’ny fampianarana ny fototry ny kabary malagasy am-panambadiana, narahin’ny fampisehoana nataon’i Justin Vali. Nampahafantarina nandritra izany ilay boky fianarana kabary malagasy, nosoratana amin’ny teny frantsay, notontosain’i Henriette Razanamalala sy i Dera […]