Fotoam-bita tsy mahaleo ny sampona! Niezaka ihany hitazona ny fampisehoana izay tokony hotontosaina ny 26 oktobra izao i Marion sy ry zareo avy ao amin’ny SR Event, saingy noho ny fihazakazahan’ny toe-draharaham-pirenena, tsy maintsy nandray fanapahan-kevitra izy ireo. «Somary vahotra ny lela hanambara eto ry zareo fa saingy misy ny […]
kolon-tsaina
« Our Generation 2025 »: Lasan’ny Malagasy ny voalohany, tany Russie !
Pao-droa! Manaiky ny Malagasy izao tontolo izao, eo amin’ny tontolon’ny hira. Lasantsika indray ny voalohany teo amin’ny sokajy rehetra, nandritra ilay fifaninanan-kira « Our Generation 2025 ». Voalohany tamin’ny fifaninanana ankapobeny. Voalohany koa teo amin’ny fifidianan’ny mpankafy ny ekipa malagasy! Nibata ny amboara, tany Russie, i Brenda, Mandresy ary i […]
TARATRY ny KANTO
“Baobab, source de vie”. Raikitra ny resadresaka iarahana amin’i Cyrille Cornu eny amin’ny Mozean’ny saripika Anjohy, anio amin’ny 10 ora maraina. Mandalo eto Madagasikara ity mpikaroka nanokana fotoana ho an’ny karazana baobab eto amintsika ity. Mifameno amin’ny fampirantiana saripika izay miseho amin’izao fotoana izao, eny an-toerana, izany. Izay indray vao […]
Noho ny zava-misy ankehitriny: Nahemotra ny fampisehoan’i Narisoa
Tsy voatazona ny andro tokony hanaovan’i Narisoa fampisehoana lehibe ao amin’ny CCEsca Antanimena. Raha ny 2 novambra izao no nampahafantarina ny fisian’ny seho. « Noho ny toe-draharaha misy eto amin’ny firenena, ahemotra amin’ny fotoana maha mety azy ny hanatanterahina ny fampisehoana. Holazaina amin’ny fotoana manaraka izany », hoy i Ndrema, nampita ny […]
Lalatiana: Anio ny seho, atsy La Réunion
Hafaliana ho an’ireo mpankafy azy ao La Réunion. Efa nitaintaina izy ireo raha naheno ny fanafoanana ny seho tokony hataon’i Lalatiana eto Madagasikara. Nisento kosa rehefa tonga any an-toerana ity mpanakanto ity, hanatontosa ilay seho, anio, ao amin’ny Amphithéatre Moufia, ao Saint Denis. Miara-dalana amin’i Lalatiana, any an-toerana, i Rija […]




