Izao ariary ny hasintanana. Misy sarany ny fampianarana. Misy fandraisana anjara tahaka izao satria misy fandaniana atao… Tsy ireo velively no tian’ ny Malagasy henoina raha vao miresaka fampianarana zavakanto na kolontsaina. Ny azy, mila tolotra maimaimpoana hatrany. Fihetsika mametraka ny kolontsaina sy ny zavakanto ho tsinontsinona? Tsy misy sandany? […]
kolon-tsaina
TARATRY ny KANTO
Fahatsiarovana an’i Vola sy Noro. Hanodidina izay ny « Sentimental », andiana hetsika karakarain’ny Hakanto Temporary eny Ankadimbahoaka, anio manomboka amin’ny 2 ora tolakandro. Hiaraka hikalo ireo hira nahafantarana an’i Vola sy Noro, araka izany, ireo mpankafy azy ireo. Hamelombelona ny fahatsiarovana ny taona maro nivalona sy ny vanim-potoana no marihin’ireo hiran’izy mirahavavy, […]
Erick Manana sy Joël Rabesolo ; Fampiarahana kanto anaty fahasamihafana
Ny iray fantatra kokoa amin’ny « revy gilita », ny iray manan-talenta amin’ny jazz. Samy mpitendry gitara , mamoaka mozika hafa mihitsy anefa rehefa tafaraka i Joël Rabesolo sy i Erick Manana. Samy mpitendry gitara. Izay aloha no tena ahafantarana azy mirahalahy. Mety tsy mitovy ny fironana eo amin’ny mozika, saingy porofo […]
TARATRY ny KANTO
Tsara ny fifaninanana… Saingy, mila tazonina ny vokatra « mendrika » azo avy amin’izany. Raha mijanona eo amin’ny fifaninanana, ho afon’ampombo ihany. Arahina akaiky ny zotran’ireo mpanakanto na talenta vao misondrotra. Ilain’izy ireny ny torohevitra, ny fanoroan-dalana, sns. Io no tsy ampy ho an’ireo mikarakara fifaninanana eo amin’ny kolontsaina sy […]
“Tana Fashion Days by Yas”: Roa andro hivelaran’ny lamaody malagasy
Fotoana manaraka hamirapiratan’ny foron-damaody sy ny haihaingo. Hotontosaina ny 26 sy 27 septambra izao ny “Tana Fashion Days by Yas”, araka ny fanambarana ofisialy natao omaly, tetsy amin’ny foiben’ny Yas Andraharo. Hampiray amina toerana sy fotoana iray ireo mpisehatra rehetra amin’ny haihaingo sy ny lamaody ny tanjona. Eo ireo mpamorona, […]




