Nampihetsi-po ny veloma farany ho an’i Lalie. Na nandritra ny fotoana niandrasana ny vatana mangatsiakany teo am-bohitra, na nandritra ny fotoam-pivavahana nanomezam-boninahitra an’Andriamanitra tetsy amin’ny Ekar St Etienne Ambanidia, samy nahatsapana ny fitiavan’ny maro azy. Niara-nirodorodo nifanotrona tamin’ny fianakaviana ireo namana sy tapaka ary mpankafy azy, hatrany amin’ny fasana nanitrihana […]
kolon-tsaina
Poopy sy Njila: notsiahivina an-kira ireo taona maro niarahana
“Avelao ho hitan’ny havany eo, izay tsy miray hina… Izay tsy mety hampiara-peo, hanome fifaliana…”. Ampahan’ny tononkiran’ny “Firaisankina”, hiran’ny tarika Njila io. Anisan’ireo hira nanamarika ny fiandohan’ny tarika tamin’izany, indrindra ilay feo telon’i Njila, Poopy ary i Hery. Santionan’ireo hira nalahatra nandritra ny seho , izay notontosain’ireto mpanakanto ireto tetsy […]
« Indi Indri 2024 »: maroloko ny mozika handravaka ny hetsika
Tanterahina eny amin’ny Alliance française d’Antananarivo (AFT) Andavamamba, ny 4 mey 2024, ny « Indi Indri 2024 ». Fampisehoana hanehoana ny mozikan’ireo tarika na mpanakanto mandeha manokana, tsy miankina amina tranom-pamokarana (Label). Abi Rakoto, Marco Klarck, Ny Jinja, Drwina ary The Revery no hifandimby sehatra hanafana ity hetsika ity. Ankoatra ny fampahafantarana […]
Maestro Loka : sangany amin’ny fitendrena gitara flamenca
Luc Olivier Ratovo na i Loka. Iray amin’ireo Malagasy andrarezina amin’ny fitendrena gitara. Nisafidy manokana ny hilalao sy handalina momba ny gitara flamenca… Nandia lalan-davitra vao tonga eo amin’ny toerana misy azy ankehitriny. Mpampianatra mpikaroka momba ny mozika. Mpamorona feon-kira sady mpitendry gitara. Teratany malagasy sangany amin’ny fitendrena ny gitara […]
TARATRY ny KANTO
Halevina rahampitso i Lalie. Araka ny fandaharam-potoana avy amin’ny fianakaviany, handrasana ao an-tranony ao Ambohimiandra ny nofo mangatsiakany. Rahampitso alarobia 1 mey, amin’ny 11 ora kosa no hoentina hatao veloma farany ao amin’ny Ekar St Etienne Ambanidia, mialoha ny hanitrihana azy eny amin’ny fasan-drazany eny Ambohimalaza. Tontosa omaly, teny amin’ny […]