kolon-tsaina

Faribolana Sandratra : hanolotra ny «Telolafy» i Aro sy i Gazela Meva ary i Irà

Mpanoratra samy manana ny mampiavaka azy. Tsy hanalavitra izay ihany koa ny antsan- tononkalo hotanterahin’i Aro sy i Gazela Meva ary Irà, ny faran’ny herinandro izao. Haneho ny maha izy azy ny tsirairay. «Telolafy», io indray no lohatenin’ny antsan-tononkalo hotanterahin’ny Faribolana Sandratra ao amin’ny Cercle Germano-Malagasy (CGM) tohatohabaton’Antaninarenina, ny 27 […]

Slam Jah – Mozika rap : raikitra ny seho goavana

Ho ambohipihaonan’ireo mpanakanto zokiny nivoy sy mivoy ary mbola hivoy ny rap sy ireo mpankafy ny sehatra maitso Analamahitsy, ny tolakandron’ny alahady 28 jolay ho avy izao. Fampisehoana tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny tsingerintaona faha-50 nahaterahan’i Slam Jah, izay mpikarakara ity he­tsika ity rahateo no hotontosaina eny an-toerana. Tanjona ny […]

TARATRY ny KANTO

“Vazo miteny any Ambatolampy”, miaraka amin’ Ifanihy. Ao amin’ny Akany Soanampiana Ambatolampy no hotontsaina ity fiarahana ity, ny sabotsy 27 jolay izao, manomboka amin’ny 9 ora alina. Fotoana iray araka ny nangatahan’ny mpankafy farany izy ity, ka hitondran’Ifanihy ireo hirany efa tany amin’ny taona 1984 hatramin’izao. Efa tokony hiroso amin’ny […]

Gasy Ploit- 10 taona : santatry ny fankalazana ny « Urban mood »

Natao teny amin’ny Ethnika Analakely, omaly, ny valandresaka ho an’ny mpanao gazety, nampahafantarana ny mahakasika ny hetsika “Urban mood”. Hotanterahina ny sabo­tsy 27 jolay 2024, eny amin’ny PK 0 Soarano, ny «Urban Mood». Hetsika karakarain’ny Gasy Ploit, to­hanan’ireo mpiara-miasa maro. Tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny faha-10 taonan’ny Gasy Ploit ity […]