kolon-tsaina

Sehatry ny literatiora: hifamotoana etsy Tsimbazaza ireo poeta

Hifampiarahaba noho ny taona vaovao ireo poeta sy mpankafy poezia ary mpanaraka antsa tonon­kalo, ny alahady 5 febroary ho avy izao. “Hetsika ian­tsoana ireo mpisehatra izany anaty tambajotran-tserasera sy anaty onjam-peo koa izany”, hoy ny tom­pon’andraikitra, mpikarakara ny hetsika. Hanom­boka amin’ny 9 ora maraina ary hifarana amin’ny 4 ora tolakandro […]

Mila ahitsy ny fandaharam-pianarana sy ny fanabeazana: tsy mahay miteny sy manoratra teny malagasy ny Malagasy

Tsy honohono fa tranga iaraha-mahita eny anivon’ny fiarahamonina. Malagasy tsy mahay miteny na manonona ny teniny. Malagasy tsy mahay manoratra ny teny malagasy. Taiza ny lesoka ? Tsy alefa lavitra akory ny fanadihadiana dia efa hita miharihary ny lesoka. Ny fandaharam-pianarana sy ny fanabeazana. Fanarenana goavana no miandry azy ireo. Tsy […]

Prix RFI Talents du rire 2022 : lasan’i Stephan Dipita ny amboara

Voafidin’ny mpitsara ho mpandresin’ny “Prix RFI Talents du rire 2022” andiany fahavalo i Stephan Dipita, mpanao hatsikana avy ao Cameroun. Mandritra ny famaranana ny hetsika lehibe “Abidjan Capitale du rire” andiany fahavalo no anehoana azy an-tsehatra sy hanolorana azy ny amboara 4 000 Euros. Ny “Festival Abidjan Capitale du rire” […]

Andrarezin’ny hira malagasy : hotanterahina ny “Herinandron’i Gabhy”

Hotontosaina, ao amin’ny Tranombokim-pirenena Anosy, efitrano David Jao­ma­noro, ny 24 febroary ka hatramin’ny 3 marsa izao ny hetsika “Herinandron’i Gabhy”, karakarain’ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina. Fotoana hampahafantarana ity andrarezin’ny hira malagasy ity. Tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoana ny famoahana sy fanolorana ny boky “Gabhy Kintan’ny Kanto”, vela-kevitra momba ny “Ny […]

Literatiora : mitohy ny hetsika momba ny fombam-pitenenana

Tontosa ny alarobia 1 febroary 2023, teny amin’ny Tranombokim-pirenena, ny ve­lakevitra momba ny teny malagasy. Lohahevitra ta­min’izany ny hoe “Ny fombam-pitenenana malagasy”, izay novelabelarin’i Sitraka Tanteraka Feno. Hisy foana ny hetsika sahala amin’itony ho fanatrarana ny tanjon’ny fi­ka­m­banana dia ny hanokatra sehatra ifanakalozam-pahalalàna mikasika ny kolontsaina sy ny literatiora ary […]