Tontosa ny asabotsy 14 janoary 2023, teny amin’ny Institut Français de Madagascar na IFM Analakely ny fampahafantarana ny boky “Trafika”. Tantara mitohy an-tsary, voasokajy ho isan’ny nahita fahombiazana teto an-toerana hatrany ivelany. Maro no tonga nanatrika izany fampahafantarana izany sangan’ asa manana ny maha izy azy izany. Nisy ihany koa […]
kolon-tsaina
Minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina – FMTS: nomarihina ny Androm-pirenena ho an’ny kabary
Kolontsaina sady zavakanto anisan’ny nahitana fivelarana lehibe ny kabary malagasy. Iray amin’ireo manamarina izany ny nametrahana andro iray isan-taona ho an’ ity lahabolana am-bava ity. Notanterahina, omaly, teto Antananarivo ny hetsika ho fanamarihana ny tsingerintaona voalohany nampidirana ny kabary malagasy ho harem-bakoka tsy azo tsapain-tanana iraisan’ny zanak’olombelona. Fotoana (taona 2022) […]
IFM Analakely : hivoaka ny sanganasa vaovaon’i Rolling P. sy Rafally
Tontosaina eny amin’ny «Institut Français de Madagascar» na IFM Analakely, ny asabotsy 14 janoary 2023, ny fampahafantarana ny sanganasa «Trafika». Tantara mitohy an-tsary milazalaza ny tantaran’ny kitapo mistery iray izy ity. Fiaraha-miasa teo amin’i Rafally, mpanao sary, sy Rolling Pen, mpandrindra an-tsehatra no nahatanterahana izao zavakanto izao. Mitohy ny fanomezana […]
«Slam à l’U»: mihamaro ny mpankafy ny Slam
Tontosa ny zoma 13 janoary 2023, teny amin’ny Centre de Ressource des Arts Actuels de Madagascar na Craam Ankatso, ny «Slam à l’U». Seho an-tsehatra karakarain’ny fikambanana «Madagaslam», iarahana miasa amin’ny ivontoerana ara-kolontsaina sy manome vahana izany. Nisokatra ho an’ny rehetra ny sehatra, na ny efa kalaza na ny vao […]
“Ny itiavako anao” – 52 taona : miandrandra ny fiarahana amin’i Bessa sy Lôla ny eto
Manam-bintana ireo Malagasy monina any Frantsa! Fantatra mantsy fa hihaona amin’i Bessa sy Lôla ary hanatrika ny fampisehoana izaho hotontosaina anio, any Paris izy ireo. Rariny raha toa ka andro vitsivitsy mialoha dia lany ny tapakila ka feno ny seza ao amin’ny Pyramydes, handray ny seho. Ela niandrasana tokoa mantsy […]