Taratra

VAOVAO TAMBATRA

Mandroso ny asa fanarenana ny RN2. Nidina ifotony nijery ny fizotry ny fanatanterahana ny asa ny minisitry ny Asa vaventy, Rafidison Richard Théodore, omaly, taorian’ny fivoriana niaraka tamin’ireo orinasa miisa 4 manao izany. Hita fa vonona ny hitaterana manokana ireo milina herinaratra ho eny Ambohi­manambola ity lalam-pirenena ity. Miditra amin’ny […]

Fampivoarana ny Toekarena eny ifotony: Nananganana BSFI ireo kaominina miisa telo

Notontosaina ny 17 septambra lasa teo ny fitokanana tamin’ny fomba ofisialy ny Birao solontenan’ny fananantany iraisana (BSFI), izay mampiray ny kaominina Am­bohidrabiby, Ambohi­man­ga Rova ary Talata Volonondry. Tetikasa tafiditra anatin’ny fandaharanasan’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT), izay tarihin’ny minisitra Andriantsitohaina Naina. Ankoatra ny fanokafana ny birao, nisy […]

Distrikan’Ambanja : Mpanjono miisa 49 nahazo fiofanana

Nikarakara fampiofanana marolafy ho an’ny mpanjono madinika, tany amin’ny kaominina Ambanivohitra Maheri­varatra, distrikan’Ambanja, faritra Diana, ny minisiteran’ny Jono sy ny toekarena manga (MPEB), nanomboka ny 17 septambra lasa teo. Araka ny fanazavana nataon’ny eo anivon’ny minisitera, naharitra efatra andro teo izany. Mpanjono madinika miisa 49 ao Andilamboay no nandray anjara […]

Tetikasa Aro fano : Harovana ny soka-dranomasina sy ny ahi-dranomasina

Hitantana sy hiaro ny soka-dranomasina sy ny ahi-dranomasina ny tetikasa Aro Fano. Ho hamafisina ny lalàna mahakasika azy. Anisan’ny firenena manana harena voajanahary sy karazan-javamananaina tsy fahita firy maneran-tany i Madagasikara. Manana karazana soka-dranomasina miisa 5 amin’ny 8 misy maneran-tany ity nosy ity. Mihena ny isan’izy ireo, noho ny fihazana […]

Nosy-Be : Polisy 30 nisitraka fiofanana

Hisorohana ny tranga fizahantany mamoafady sy ny ady amin’ny fanararaotana ara-nofo mahazo ny zaza tsy ampy taona, polisim-pirenena miisa 30 nisitrika fiofanana tao Nosy-Be, ny 18 septambra teo. Nivondrona tao amin’ny tranobe ARO ao an-toerana ireo mpitandro filaminana sy ny mpampiofana azy ireo. Tomponandraikitra misahana ny hetsika ny fitaleavana misahana […]