Taratra

Fanadinana CEPE : Nankasitrahana ireo mpianatra mendrika

Toy ny fanaony isan-taona, nankasitraka ireo mpianatra mendrika indrindra tamin’ny fanadinana CEPE teto amin’ny fari-piadidiam-pampianarana Antananarivo Renivohitra ny Kaominina Antananarivo (CUA) sy ny Yas Madagasikara. Notan­terahina ny alarobia lasa teo izany, tetsy amin’ny Lapan’ny tanàna Analakely. Nisitraka izany ireo ankizy 100 mianadahy avy amin’ny EPP ao anatin’ny boriborintany enina eto […]

Fiahiana ny sahirana eny Andralanitra: 55 taona niasana teto Madagasikara ny Mompera Pedro

Porofo mivaingana amin’ny asa soa ataon’ny Mompera Pedro Opeka ny fisian’ny Akamasoa miahy ny sahirana. Mankalaza ny 55 taona nahatongavany teto Madagasikara ity pretra ity. Nanetriketrika ny fanamarihana ny faha-55 taona nahatongavan’ny Mom­pera Pedro nanao asa soa teto Madagasikara. Tamin’izany koa ny nankalazana ny jobily faha-50 taona naha pretra azy. […]

Vehivavy fakan-tahaka : Nanaitra ny fanirian’ny zatovovavy hihoitra amin’ny fiainana

« Nampiavaka ny sehatra ho an’ny zatovovavy ny lohahevitra rôle modèle  na vehi­vavy fakan-tahaka tao anatin’ ny sehatra ho fampahaleovantena sy fampananana asa, ao amin’ny distrikan’i Vondrozo », hoy ny tomponandraikitry ny Sampandraharaha momba ny fampianarana mamaky teny sy manoratra ary mikajy eo anivon’ny minisiteran’ny Fana­beazam-pirenena, Randim­bisoa Hanitra. Ireo vehivavy mahaleo tena amin’ny […]

Zatovovavy 100 niala an-daharana tany an-tsekoly : Namolavola vinam-piainana rehefa nahalala ny tenany

Nomena fahalalana feno ahafahany mamolavola vinam-piainana araka ny nofinofiny ny zatovovavy 100 niala an-daharana tao Vondrozo nefa vonona hihoitra amin’ny fiainana. Maro ireo mbola maniry ny hiverina an-tsekoly indray hanana hoavy metimety kokoa sy hahaleo tena. Nifarimbona ny minisitera enina: ny Fanabeazam-pirenena, ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa, ny […]

TARATRY ny KANTO

Madajazzcar Festival 2025, hiditra amin’ny fifaninanana ny « Tremplin » ho an’ny eto Antanana­rivo. Hotanterahina eny amin’ny La Teinturerie Ampa­sanimalo, ny alarobia 24 septambra izao, manomboka amin’ny 2 ora sy sasany tolakandro ny fifanintsanana. Afaka manatrika azy io avokoa ny olon-drehetra liana amin’ny tontolon’ny jazz. Tafiditra ao anatin’ny fikatsahana sy fampitiavana ity […]