Miezaka ny mamokatra tantaram-pirenena vaovao ho an’i Madagasikara amin’ny alalan’ny fambolena hetsika toy ny tany Nepal ny mpanohitra fitondrana. Tao anatin’ny andro vitsy, mitady hirika ny handrehetana ny afo izy ireo. Mipoitra tsikelikely ny fikotrehana hetsi-bahoaka, mialoka eo ambanin’ny olana sosialy mianjady amin’ny vahoaka. Misy ny sokajin’olona mitady hijapy […]
Taratra
Fe-potoana fiasan’ny Filoha: “Azo atao ny fitsapan-kevi-bahoaka”, hoy Rakotomanga Taciano
“Voalaza mazava tsara ao amin’ny And. 5 amin’ny lalàmpanorenana fa an’ny vahoaka ny fahefana. Ampiasaina amin’ny alalan’ny fifidianana izany fahefam-bahoaka izany. Azo atao tsara raha ohatra misy ny fangatahana ny safidin’ny vahoaka amin’ny fanaovana fitsapankevi-bahoaka.” Io ny nambaran’ny governoran’ny Faritra Diana, Rakotomanga Taciano, tamin’ny mpanao gazety tany Antsiranana, afakomaly, manoloana […]
TSELATRA
Levon’ny afo ny tokantrano iray tao amin’ny fokontany Ambalavola, Antsiranana, omaly. Nifamonjen’ ny fokonolona sy ny mpamonjy voina novonoina ny afo saingy kila avokoa ireo entana tao an-trano. Mitohy ny fikarohana ireo zaza roa lahy tsy hita popoka nanomboka ny alatsinainy 15 septambra teo, tao amin’ny fokontany Tsaramandroso, kaominina Satrokala, […]
Fakana takalonaina: Tsy misy ifandraisany amin’ny Base Toliara
Nivory ireo sefo fokontany 13 ao anatin’ny kaominina Ankilimaliniky Toliara II, ary namoaka fanambarana iombonana. Nitondra ny fitenenana ny sefo fokontany Tanora Faharoa. Nohelohin’izy ireo marindrano ilay asan-jiolahy niseho ny sabotsy 13 septambra teo. Fakana an-keriny natao takalonaina ny zanakay miisa 3 ireny zava-niseho ireny, hoy izy ireo. Tsy misy […]
Tsindron’antsy: Voasambotra ny tovolahy 18 taona nahavanon-doza
Voasambotry ny polisim-pirenena avy ao amin’ny CSP3 Antanimasajy, Mahajanga, ny tovolahy iray 18 taona voarohirohy sy tompon’antoka tamin’ny fanindromana antsy raim-pianakaviana iray, 35 taona, ny alin’ny 6 septambra lasa teo. Niakatra fampanoavana ny raharaha, taorian’ny famotorana nataon’ny polisy azy. Tsiahivina fa nisy nanindrona antsy tany Ambalamanga, fokontany Antanimasajy, ny lehilahy […]




