Ilaina ny mianatra. Tsara ny manaraka ny fenitra iraisana maneran-tany, sns. Ankoatra ireny, tsy azo odian-tsy hita fa nanana ny nipoirany ny zavakanto sy ny kolontsaina tsirairay. Ireny no fototra tsy tokony ho narina sy mbola mila tazonina. Manana ny maha izy azy, ohatra, ny fanorona. Na efa mivelatra eo […]
Taratra
« Angaredona Mozika Festival »: Handrasan’ Ambohimanga i Rossy
Ivon’ny hetsika « Angaredona Mozika Festival » ity faran’ny herinandro ity. Anio sy rahampitso mantsy ny fampisehoana goavana hotontosaina eny amin’ny Kianja Ankadivory, Ambohimanga Rova. Anisan’ny andrasana amin’ity andiany faha-19 ity ny tarika Rossy, izay sambany handray anjara amin’ny « Angaredona ». Ry zareo no hamarana ny seho ny alahady, hitondra ny tapolaka sy […]
« Festival Jokosso » andiany fahadimy: Homena laka ireo tanora mpanao hatsikana
Seha-kanto iray manomboka miroborobo ny hatsikana. Nanana ny anjara birikiny tamin’izany ny « Festival Jokosso », izay ifarimbonan’ireo mpanao hatsikana na efa malaza na vao misondrotra. Manana ny hetsika azy manokana ny hatsikana eto Madagasikara. Hiditra amin’ny andiany faha-5 sahady mantsy ny « Festival Jokosso », amin’ity. Hatao mandritra ny roa herinandro izany, ny […]
FANTINA sy FINTINA
Hatramin’izao, mihoatra ny 130 miliara Ar ny tetibidin’ny entana na vola nogiazan’ny Bianco, araka ny fanazavan’ny tale jeneralin’ny Bianco, Razakamanantsoa Gaby Nestor, teny Ambohibao, omaly. Hatolotra ny Pac mba ho tonga any amin’ny Arai izany, hahazoana mamerina azy any amin’ny fanjakana, rehefa hita tokoa fa avy amin’ny kolikoly no nipoirany. […]
CUA : Mpanolotsaina mpanohitra roa nisy nisambotra
Nisy olona nanao fanamiana sivily nisambotra ny mpanolotsaina mpanohitra roa eo anivon’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA), nanoloana ny Lapan’ny Tanàna Analakely, omaly. Tsy iza fa Rahanirina Clémence sy Rakotoarisoa Alban. Tokony ho tamin’ny 10 ora maraina no nitrangan’izay. Saika hanatitra taratasy fangatahana fahazoan-dalana eny amin’ny prefektioran’Antananarivo amin’ny hetsika kasain-dry zareo […]




