Nanao tatitra ny asa vita, nampahafantatra ny fandaharanasa amin’ny taona 2026 ny Fikambanan’ny Silamo Malagasy na ny FSM. Nisy ny fanambarana nataon’izy ireo ny sabotsy lasa teo. Nivoitra tamin’ny fifampizarana notarihin’ ny filohany Abousoary Said Arsène fa hiompana misimisy kokoa amin’ny fitetezam-paritra, hijerena ny zava-misy eny ifotony izy ireo. Hisy […]
Taratra
Lehilahy nahafaty ny vadiny : Noleran’ny fokonolona antsy ny kibony
Tra-tehaky ny fokonolona, omaly ny raim-pianakaviana iray, nahafaty ny renin-janany izay niterahany telo. Saika matin’ny fitsaram-bahoaka izy. Efa notsindromin’ny fokonolona antsy ny kibony. Ny tody tsy misy! Saika matin’ny fokonolona tao Ambolomadinika, Toamasina ny raim-pianakaviana iray. Niharan’ny fitsaram-bahoaka izy, raha nikasa ny handositra taorian’ny heloka be vava nataony, afakomaly. Namono […]
Judo-Grand Slam de Paris : Hisolo tena an’i Madagasikara ry Laura sy Zo
Hotanterahina ny 7 sy 8 febroary izao, any Paris, ny “Grand Slam de Paris”, taranja Judo. Tsy diso anjara amin’izany i Madagasikara fa hanana solontena, hahitana an-dRasoanaivo Razafy Aina Laura, hifaninana eo amin’ny sokajy latsaky ny 70 kg . Sokajy hahitana mpifaninana 20 ka anisan’ny ao anatin’izany i Ozbas Szofi, […]
Taranja Basikety : Misedra olana ny fifidianana any amin’ny ligin’Atsimo Atsinanana
Araka ny loharanom-baovao mari-pototra, misedra olana ny fifidianana izay ho filohan’ny ligy any Atsimo Atsinanana, izay tsy mety tanteraka mandraka ankehitriny. Efa intelo izao no niova ny daty tokony nanatanterahana izany ary nahitana fihemorana hatrany. Ny 27 desambra lasa teo no daty voalohany voatondro nanaovana io fifidianana io, nihemotra ny […]
DAKA AN-JORONY
Aza atao ranotrambo ny firarian-tsoa Rehefa miandoha tahaka izao ny taona, manao be fiavy ny firarian-tsoa. Eo koa ny filazana tetikasa hatao. Misasasasa sy misosososo ary misesisesy izany kanefa aza atao ranotrambo be fiavy fa mora ritra. Tsara tokoa ny mifampirary soa fa izany no fanalahidy amin’ny fiainana. Matetika anefa […]





