Taratra

FANTINA sy FINTINA

Nitsidika ara-pomba fifanajana ny minisitry ny Fitsarana, Rakotomandimby Benjamin Alexis, teny Faravohitra, omaly, ny lehiben’ny mpirakidraharaha eny anivon’ny Filankevi-panjakana, Razafimahery Todisoa Nandrianina. Nifantohan’ny dinika ny asam-pitsarana sy ny fanatsarana izany ary ny fahaiza-manao eo anivon’ny Filankevi-panjakana. Nilaza ny mpitarika ny RMDM, ny pasitera Tsarahame Edouard, teny Bel’Air, afakomaly, fa tsy […]

Fanendrena loholona : Mangataka toerana iray ny Synad

“Tena manana adidy ma­vesatra ny administratera sivily amin’ny alalan’ireo solontem-panjakana eny ifotony, ny prefet de Police sy ny lehi­ben’ny distrika.” Io ny fanehoan-kevitry ny filohan’ny sendi­kan’ny administratera sivily (Synad), Rakotondra­manana Solofotahina Lalaina, manoloana ny fiatrehana ny fifidianana loholona amin’ny 11 desambra. Ry zareo no filohan’ny Organisme mixte de conception (OMC) […]

Arenina ny lesoka !

  Hifarana ny herinandro, milamindamina ny tanàna. Nizotra tamim-pilaminana ny fampidirana ny mpianatra, na ny sekoly manaraka fandaharana frantsay, na ny mpandala ny rafitra malagasy 100 %. Nandeha tsy nisy olana ny ankamaroan’ny teny anivon’ny sekoly na mbola maro aza ny kiana sy ny fanamarihana avy amin’ny ray aman-dreny noho […]

Sampana SADC any Chine: Hamafisina ny fiaraha-miasa sy ny fifandraisana

Ny masoivohon’i Madagasikara any Chine no filohan’ny sampana Sadc any an-toerana. Himasoana ny fikarohana fiaraha-miasa sy ny fanamafisana ny fifandraisana amin’ny firenena sinoa. Ny lafiny tontolo iainana, toekarena, diploamasia… Ireo no anisan’ny hodinihina akaiky anatin’ity vondron’ny SADC any Chine ity, manomboka izao, araka ny fampitam-baovao voaray tamin’ny tambajotran-tserasera, omaly. Fantatra […]

Tovolahy natelin’ny ranomasina : Hita afakomaly ny vatana mangatsiakany

Hita afakomaly tamin’ny 8 ora alina, tany amin’ny fari-dranomasin’i Fenoarivo Atsi­nanana, 5 km miala an’i Toa­masina, ny vatana mangatsiakan’ilay tovolahy 14 taona, na­telin’ny ranomasina, ny talata atoandro teo. Mpanarato no nahita ny razana natsingevan’ ny ranomasina ka nampiakatra izany an-tanety. Efa lanin’ny trondro ny masony ary niofaka ny tarehiny, taminn’ny […]