Nesorina amin’ny maha loholon’i Madagasikara azy ny loholona isany, ny jeneraly Ravalomanana Richard sy Rakotondrazafy Lalatiana. Araka ny fanapahan’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC), tamin’ny 24 desambra lasa teo. Antony ny tsy fanatrehana fivoriana tsy nametrahana taratasy fanazavana na fialan-tsiny ny antony azo ekena: naman’ny manala tena avy hatrany. […]
Taratra
Fihenan’ny vidim-bary: matiantoka ny tantsaha mpamokatra
Matiantoka tanteraka ny tantsaha manoloana ny fihenan’ny vidim-bary misy amin’ izao fotoana. Antony indrindra nanaovana ny dinika niarahan’ireo mpisehatra samihafa, toy ny minisiteran’ny Varotra sy ny fanjifana (MCC), ny Toekarena sy ny fitantanam-bola (MEF), ny Fambolena sy ny fiompiana (MinAE) anjara, tetsy Ambohidahy. Tao koa ny Association professionnelle des institutions […]
Business Ready 2025: mila hatsaraina ny fandraharahana eto amintsika
Fanamby amin’ny fampandrosoana ny toekarena ny fanavaozana ny rafi-pitantanan’ny orinasa mba hiantohana ny fifaninanana ara-drariny, araka ny tatitra navoakan’ny Business Ready 2025. Namoaka tamin’ny fomba ofisialy ny Business Ready (B-Ready) 2025 ny Banky iraisam-pirenena. Tatitra vaovao natao handrefesana ny tontolon’ny fandraharahana sy ny fisarihana ny fampiasam-bola izy io. Ity tatitra […]
Sehatry ny asa: 60 000 ireo ho raisina mpiasam-panjakana
Haverina, hanatevenana indray ny mpiasam-panjakana, ny fandraisana ireo « Employés fonctionnaires assimilés » (EFA) sy ny “Employés de longue durée” (ELD) miisa 65 279 rehefa niato izany ny volana febroary 2020. Io ny fampahafantarana nataon’ny minisitry ny Asa, ny fampanananasa ary ny asam-panjakana, (MTFOP) Florent Soatiana Bety Léonne. “Niainga tamin’ny fanadihadiana lalina nataon’ny […]
Talata Volonondry: mpamily iray maty tsy tra-drano
Nitrangana lozam-pifamoivoizana namoizana aina teny Idilana, fokontany Avaratsena, kaominina ambanivohitra Talata Volonondry, omaly tokony ho tamin’ny 3 ora maraina. Niseho teo amin’ny lalam-pirenena fahatelo, PK 29 + 800 ny loza. Fiara iray marika Nissan Fourgon, avy any Ankazondandy, hizotra ho aty Antananarivo, no niharan-doza. Nandeha mafy izy ary nandona sy […]





