Taratra

Basikety-Analamanga: hamerina ny firaisankinan’ny ligy sy seksionina ny filoha vaovao

Ny famerenana ny firaisankinan’ny ligy sy ireo seksionina mandrafitra azy no vina lehibe voalohany hapetraky ny filohan’ny ligin’Analamanga vaovao, Maître Ratovonjanahary Haingo Mampionona, amin’izao fandraisany ny fitantanana izao. Mialoha izay anefa, asa miandry ny fanaovana ny sata sy ny fitsipika anatiny mifehy ny ligin’Ana­lamanga. Miankina amin’ny firaisankina no hanatrarana ny […]

Niady mivady: raim-pianakaviana maty teny amoron-dranomasina

Hita faty teo am-bodihazo iray, teny amoron-dranomasina ampitan’ny tetezana mankany amin’ny Hopitaly Be, ny alin’ny zoma 26 desambra hi­foha ny sabotsy teo, ny raim-pianakaviana iray. Hita nitsitra efa tsy nisy aina intsony nia­raka tamin’ny fitaovana mbola teny aminy izy. Mpanjono hafa handeha handriaka maraina no nahita ny vatana manga­tsiakan’io lehilahy io […]

Fampanantenan’ny Kly Randrianirina M.: nandray tambim-pankasitrahana ny mpiasam-panjakana

Noho ny findangan’ny vidim-piainana, nanome tambim-pankasitrahana 310 000 Ar ny mpiasam-panjakana ny Filohan’ny Fanavaozana, ny Kly Randrianirina Michaël. Efa nisy ny fizarana ny ilain’ny mponina andavandro mialoha an’io, tany atsimon’ny Nosy. Notanterahina avy hatrany! Nanomboka omaly ny fandraisan’ny mpiasam-panjakana ilay vola tambim-pankasitrahana avy amin’ ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasi­kara, […]

Nendran-gidro: nahitana trangan’aretina dimy tany Mahajanga

Nahitana trangan’aretina nendran-gidro, (Mpox : Variole de singe), miisa dimy tany Mahajanga, omaly, raha ny fanambarana nataon’ny minisiteran’ny Fahasalam-bahoaka. Tao­rian’ny fitiliana ny tranga nataon’ny Laboratoire des analyses médicales de Madagascar (LA2M) sy ny Institut pasteur de Madagascar, ny 29 desambra 2025 lasa teo. Tao amin’ny fokontany Ambovoalanana, distrikan’i Mahajanga I, […]

Kaominina Ivato: fianakaviana marefo 850 nizarana PPN

Ho fiatrehana ny faran’ny taona sy fitsenana ny taom-baovao 2026, nahatsiaro ma­no­kana ireo fianakaviana sahirana ao amin’ny kaominina Ivato ny ben’ny Tanàna ao an-toerana, Randrianarisoa Penjy. Fianakaviana miisa 850, avy amin’ny fokontany 13 (K1 hatramin’ny K7, Ivato Aéro­port, Ilaivola, Ankadindravola, Tanambao, Mandrosoa, Am­bodirano) no nizarana vatsy ho fiatrehan’izy ireo ny […]