Taratra

Handball – “IHF Trophy” : Hiady ho lohany ny Akio

Hanomboka rahampitso, any Oran, Algérie, ny fiadiana ny “IHF Trophy” kaontinantaly, taranja handball, sokajy U17, vehivavy. Anisan’ireo firenena hiady ho lohany amin’ity ny Akion’i Madagasikara. Firenena 11 no hifampitana amin’ity ka ao amin’ny vondrona “A” no misy an’i Madagasikara, miaraka amin’i Angola, Nigeria, Tunisie, Kenya, ary i Benin. Azo lazaina […]

Baolina kitra – Cosafa U17 : Resin’i Malawi 3 no ho 1 ny Barea zandriny

Ratsy fiditra! Vokatra ratsy no nanombohan’ny Barean’i Madagasikara, sokajy zandriny, ny fifaninanana Cosafa U17, izay tanterahina any Zimbabwe, ny 11-20 septambra. Resin’i Malawi, tamin’ny isa 3 no ho 1, i Madagasikara. Lavo sahady! Nanao fampisehoana teo anatre­han’ny Barea zandriny mihitsy i Malawi, omaly, tao amin’ny kianjan’ny Ngomi Mwos Stadium Zimbabwe. […]

INDRAY MIJERY

Tomponandraikitra ifotony avy amin’ny fokontany miisa 31, eo anivon’ny Boriborintany faha-VI, no nanatrika ny fanentanana momba ny famarinana olombelona tamin’ity herinandro ity. Nampahafantarina ireo endrika famarinana olombelona misy eto Madagasikara ireo olona sy sampandraharaha voakasika izany. Teo koa ny lalàna mifehy izany. Noresahina ihany koa ireo sazy mifandraika amin’ireo mpiray tsikombakomba. […]

Fifamoivoizana eto Antananarivo: Fitaterana ara-dalàna ny taxi-moto

Natao tamin’ity herinandro ity, tetsy amin’ny Kianja Mitafo Mahamasina, ny fihaonana teo amin’ny Kaominina Anta­na­narivo Renivohitra sy ireo mpisehatra amin’ny taxi-moto. Tanjona ny hampanarahan-dalàna sy hitondrana vahaolana amin’ny fifamoivoizana an-tanàn-dehibe. Nihaino ireo olana sy ny soso-kevitra nentin’ireo mpisehatra ny CUA. Hisy ny dingana manaraka hanohizana ny fanatsarana ny asan’ireo taxi-moto […]

Toetr’andro : Mananontanona ny rivodoza Blossom

Efa nahafeno fepetra ary nomena anarana Blossom ilay rivodoza ao avaratra atsinanan’ny Nosy. Any amin’ny 1 600 km avaratra atsinanan’Antsiranana no misy ny ivony ary mahatratra 65km/ora ny rivotra entiny, arahina tafiotra 90km/ora. Manohy ny diany miakandrefana somary avaratra andrefana amin’ny hafangainam-pandeha 8km/ora izy. Tsy mbola misy fiantraikany amin’ny toetry […]