Taratra

Chupka Antsiranana-Japon: 645 tapitrisa Ar hanavaozana ny toeram-pitsaboana zaza

Havaozina ny sampandraharahan’ny fitsaboana zaza ao amin’ny Chupka Antsiranana. Manohana ara-bola mitentina 645 tapitrisa Ar hanatanterahana ny asa ny firenena japoney. Vita tamin’ity herinandro ity ny sonia fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny masoivoho japoney, i Abe Koji, sy ny talen’ny Chupka, i Sammy Thierr. Miompana amin’ny fanarenana ny sampandraharaha misahana ny fitsaboana […]

Oniversite miahy tena…: Ho hentitra ny fanaraha-maso ny fanomezana “habilitation”

Miroso amin’ny fanatsarana ny kalitaon’ny fampianarana ambony ny minisitera. Ho hentitra amin’ny fanaraha-maso ny fanomezana “habilitation” izy ireo manomboka izao. Hitsangana ny vaomieram-pirenena misahana izany, hampihatra ireo fepetra nasiam-panavaozana. Mila mahatratra ny 75% ny naoty amin’ireo tombana vao afaka misokatra ny lalam-piofanana vaovao. Tsy hitsitsy amin’ny tandrevaka sy ny gaboraraka […]

« Mode éthique et durable »: III Mpifaninana 11 hiatrika famaranana

Eo amin’ny tontolon’ny lamaody sy ireo filirony miaraka aminy. Ao anatin’ny andiany fahatelo ny hetsika «Mode éthique et durable». Miompa­na amin’ny fanapariahana ny indostrian’ny kolontsaina sy ny famoronana eo amin’ny se­hatra iraisam-pirenena izany. Ho an’ity taona 2025 ity, mpamorona 11 no voafantina hiatrika ny famaranana, raha na­hatratra 80 ny isan’ny […]

Volana septambra : Raikitra ny « Zarasehatra bagasy Vonona »

Rehefa nanomana tao anatin’ny fotoana naharitra, raikitra fa hotanterahina anio, manomboka amin’ny 2 ora tolakandro, etsy amin’ny efitrano malalaky ny Aro Antsahavola, ny «Zara­se­hatra bagasy» nampitondraina ny lohahevitra «Vonona». «Efa vonona eo an-dampihazo ny mpisehatra rehetra. I Mbosa no mandahatra ny hira sy mandrindra ny fidirana ny sehatra… Tandremo tsy […]

« Ant’sary Doc Mada »: Ny lohahevitra no hitsarana ireo horonantsary

Hetsika lehibe ho an’ny horonantsary fanadihadiana ny “Ant’sary Doc Mada”. Nivoaka ny lisitr’ireo vokatra hifaninana, ka hisy sokajy maromaro hisafidianana amin’izany. Horonantsary lava, horonantsary fohy, “expérience digitale”, “best picture”, “best sound”, “prix du public”, “prix d’encouragement”. Ireo ny fankasitrahana homanin’ny mpikarakara ny hetsika “Ant’sary Doc Mada”. Haka endrika fifaninanana ho­ronantsary […]