Hametraka paikady vaovao hanatsarana ny vokatra aondrana any ivelany i Madagasikara. Nisy ny atrikasa natao omaly, teny Anosy, mahakasika izany. Notanterahina tetsy Anosy, omaly, ny atrikasa lehibe nokarakarain’ny ministeran’ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra (MIC), tohanan’ny Padeir. Araka ny fanazavana voaray, nifantoka tamin’ny fanamafisana ny varotra ivelany ny atrikasa. […]
Taratra
INDRAY MIJERY
Niofana momba ny fandrafetana ny didy fampiharana ny Document unique d’évaluation des risques (Duer) sy ny fanaraha-maso ny asa aman-draharaha momba ny fambolena ataony ny Inspecteur du travail. Tanjona ny hampiroboroboana ny asa mendrika sy ny fametrahana ny rariny ara-tsosialy. Tetikasa manome vahana ny kolontsaina fandraharahana dieny eny amin’ny kolejy […]
Behoririka – Antanimena : Napetraka ny lamina vaovao
Nandray fanapahan-kevitra ho amin’ny fandaminana ny tanàna ny kaominina Antananarivo Renivohitra. Nanomboka tamin’ity hereinandro ity, voarara ny fiantsonan’ ny fiara eo amin’ny lalana Naka Rabemanantsoa, manomboka eo amin’ny auto-école Cedric, hatreo amin’ny Immeuble Santa. Tsy voakasik’izany kosa ny fiaran’ireo mponina manodidina sy nahazo alalana manokana. Handraisana fepetra ny ankoatra izay. […]
Mahajanga : Olona 6 isan’andro no voaporofo fa voan’ny Sida
Nandritra ny fandraisan’ny governoran’ny faritra Boeny ny delegasionin’ny fahasalamana sy ny ONUSida no nahafantarana fa mirongatra ny aretina Sida ao Mahajanga. Olona 6 isan-kerinandro no fantatra fa mitondra io tsimokaretina io . Ao Mahajanga no misy ny taha ambony indrindra eto Madagasikara. Anisan’ny firenena tena be olona mitondra ny tsimokaretina […]
Fifamoivoizana an-tariby: Voatazona ny kalitaon’ny fitaterana
Lasa andavanandrom-piainan’ny mponina mipetraka eny Ivandry mamonjy asa sy fianarana eny Anosy ny fampiasana ny fitaterana an-tariby. Voatazona ny kalitaony raha ny tomban’ny tomponandraikitra. Nanamafy ny filaminana sy ny fandrindrana ary ny fitazomana ny kalitaon’ny fitaterana teleferika ny sekreteram-panjakana miadidy ny Tanàna vaovao sy ny toeram-ponenana, Gérard Andriamanohisoa. Tsikarika isan-kariva […]




