Taratra

Namaky Banky tao Ambatondrazaka: enin-dahy nandroba 347 tapitrisa Ar

Mpiambina tao amin’ilay banky ny roa lahy tamin’ireo jiolahy enina voasambotry ny polisim-pirenena tao Ambatondrazaka, ny 25 desambra teo. Nalain’izy ireo ny vola an-tapitrisany. Jiolahy enina niara-voasambotry ny mpitandro filaminana eo anivon’ny sampandraharahan’ny polisy misahana ny heloka bevava Anosy sy ny polisy ao Amba­ton­drazaka, ny 25 desambra lasa teo. Nitrangana […]

“Can 2025”: tafita i Egypte, Nigeria ary i Algérie

Mafana ny fifanintsanana “Can 2025”, atao any Maroc, amin’izao fotoana izao. Efa tsara toerana sy tafita hiatrika ny dingan’ny ampahavalon-dalana fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, i Egypte, Nigeria ary i Algérie. Samy nahita fandresena roa avy tamin’ny fihaonana isam-bondrona, izy ireo. Mbola mitady isa sy fandresena kosa ny mpilalaon’i Comores, […]

Rugby: nampifaly ireo mpilalaony ny Rosa club de l’Imerina

Noho ny asaramanitra, tsy nanadino ny mpilalao ao aminy ny tomponandraikitry ny fileovana Rosa club de l’Imerina III G Hangar Antohomadinika. Omaly, tetsy amin’ny tokontany EKAR Antohomadinika, notolorana fanomezana, “panier garnis”, sy lelavola ireo mpilalao sy mpitantana miisa 110 mianadahy mianaka, hiatrehany ny fety. Nanome izany, i Lock Hong Maxime […]

Minisitry ny Serasera tao Toamasina: tsy nahafa-po ny mpanao gazety maro an’isa

Fahadisoam-panantenana ho an’ny mpanao gazety maro an’isa ny tao Toamasina. Nihevitra izy ireo fa ho toy ny teo aloha rehetra ny ataon’ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina, Ogascar Feno­soa, nandritra ny fitsidihany voalohany ny faritra Atsina­nana, ny 23 sy 24 desambra lasa teo. Nitokana fotodrafitrasa maroloko tao amin’ny Kianja […]