Taratra

Amboditsiry: Lehilahy roa tratra nanao sinto-mahery

Voasambotry ny polisy miasa ao amin’ny kaomisaria Analamahitsy, tetsy Amboditsiry, ny lehilahy roa. Tra-tehaka teo am-panaovana sinto-mahery olona teny amin’ny manodidina izy ireo, afakomaly, tokony ho tamin’ny 5 ora hariva. Nampiahiahy ny fihetsik’izy ireo ka narahi-maso ary izao tratra teo am-panaovana ny asa ratsiny izao. Nentina eny anivon’ny biraon’ny kaomisaria […]

Tsy navela hamonjy alim-pandihizana : Notsatohany antsy ny mpampiasa azy

Notsatotsatohany antsy ireo mpivady mpampiasa azy, tany Andravola, Vohipeno, Ambatolampy, afakomaly. Noho izy tsy navela hanatrika alim-pandihizana amin’ny famadihana no antony. Voasambotra tany Ambohimandroso, omaly maraina, izy. Tovolahy mpiasa an-tra­no. Voasambotra omaly maraina tany amin’ny tobim-piantsonana Ambohi­man­droso ny tovolahy iray 18 taona, mpanampy an-trano, tompon’antoka tamin’ny famonoana ireo mpivady niasany. […]

Rakotoarison Fiorenana Fitia : Mpilalao efa nandrafitra ny Barea U20, nisafidy ny hanao mofo mamy

Tanora iray manan-talenta amin’ny bao­lina kitra Rako­toarison Fiorenana Fitia na i Eto’o. Efa nandrafitra ny ekipa nasionaly Barea zandriny, U17 sy U20, ny tenany, tany aloha, ary izao nisafidy ny hisehatra amin’ny resaka fivarotana mofo mamy izao. Anisan’ireo mpilalao na­nana ny hoaviny amin’ny resaka baolina kitra Rakotoarison Fiorenana Fitia, saingy […]

FAO sy ny minisitera MPEB : Hanohana ireo mpanjono madinika

Araka ny vaovao navoakan’ny minisiteran’ny Jono sy ny toekarena manga (MPEB), omaly, hiara-miasa amin’ny Sampandraharaha iraisam-pirenena misahana ny fambolena sy ny sakafo (FAO) izy ireo hanangana tetikasa hana­tsarana ny jono madinika eto Madagasikara. Fantatra fa ny 97% ny vokatra amin’ny jono eto amin’ny Nosy dia avy amin’ity sehatra ity avokoa, […]

Raharaha « boeing 777 » : Nesorina ny tale jeneralin’ny ACM

Araka ny tapaky ny filankevitry ny minisitra, natao afakomaly, nesorina teo amin’ny toerana maha tale jeneralin’ny Kaomisiona mitantana ny sidina ana habakabaka (ACM) azy, ny kolonely Gervais Damasy. Antony iray nahatonga izao fanapahan-kevitra izao ny raharaha “Boeing 777”, izay naiditra antsokosoko any Iran. Mbola voatazona vonjimaika any am-ponja moa ity […]