Mila hakarina tsaboina eto an-dRenivohitra ilay zazavavy fito taona niharan’ny fanolanana tao Tsiroanomandidy ka tsy nahatsiaro tena efa ho herinandro lasa. Afa-miaina sy mihetsika ny vatan’ny zazavavy vao fito taona monja niharan’ny fanolanana tao Mangarivotra, distrikan’i Tsiroanomandidy, saingy tsy mahatsiaro tena hatramin’ny omaly. Nitaraina ho narary io zaza io herinandro […]
Taratra
Hetsika Makalombo: mpatory an-dalana 5 000 nizarana sakafo
Nahatsiaro manokana ireo fianakaviana latsaka an-katerena ary tsy manan-kialofana ny minisitry ny Mponina sy ny firaisankina, Raharinirina Sidonie, ny alin’ny 24 desambra teo. Nanatanteraka hetsika Makalombo tamin’ny boriborintany enina teto Antananarivo Renivohitra izy ireo. Nizara sakafo mafana ho vatsin’aina hiatrehana ny fetin’ny Krismasy. Mendrika ny hisitraka ny fety na dia anisan’ireo […]
METFP: roa andro ho an’ny Fampianarana teknika
Mikarakara hetsika fampahafantarana sy torolalana mahakasika ny fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa ny minisitera, etsy Mahamasina, ny 29 sy 30 desambra izao. Hoavy hampahafantra ny karazana tolora ara-piofanana ao aminy ireo sekoly mampiofana sy mampianatra arakasa eto Antananarivo. Fotoana hisarihana ny sain’ny tanora ho liana amin’ny fampianarana teknika kokoa, […]
Hetsika fosika: 15 ireo fitarainana voaray tao anatin’ny herinandro
Tsy mitsitsy ny minisitra! Fitarainana 15 no voaray tao anatin’ny herinandro, mahakasika ny hetsika fosika. Tanjona ny hialana amin’ny fomba tsy ara-dalàna rehetra. Fanaovana diplaoma sandoka miisa dimy, kolikoly roa, tolotrasa na tolotra fiofanana tsy ara-dalàna iray, fandraisana mpiasa tsy ara-dalàna roa, herisetra iray, tranga isan-karazany toy ny fisehoana sandoka […]
Andranomainty Miandrivazo: karatany 454 natolotra ny tantsaha
Ho afaka mamokatra am-pahatoniana sy manatsara ny famokarany ny mpamboly rehefa milamina ny fananatany. Natolotra ireo mponina ao amin’ny fokontany Andranomainty sy Betalatala, distrika Miandrivazo, ny 23 desambra teo, ny karatany miisa 454. Tamin’ny alalan’ny tetikasa “AD2M” no nahafahana nanatanteraka ity fiarovana ny fananantany ity, famatsiam-bola avy amin’ny Fida. Niara-niasa […]





