Nesorina tsy ho loholon’i Madagasikara ny Jly Ravalomanana Richard sy Rakotondrazafy Lalatiana, araka ny fanapahan’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC), afakomaly. Raha ny And. 8 amin’ny fitsipika anatiny mifehy ny Antenimerandoholona: miala avy hatrany izay tsy manatrika ny fivoriana, ka tsy mametraka fanazavana na taratasy fialan-tsiny ny antony rehefa […]
Taratra
Hafatry ny fivondronamben’ny Eveka : « Aoka isika hahay haka lesona amin’ny tantara »
Nampita hafatra tahaka ny fanaony, isan-taona amin’ny fetin’ny Noely sy ny taona vaovao tahaka izao, ny eo anivon’ ny fivondronamben’ny Eveka (Fem). Nambaran’ny filohan’ny Fem, ny evekan’i Morondava, ny Mgr Raharilamboniaina Fabien, fa ao anatin’ny krizy amin’ny toekarena sy sosialy, politika ary tontolo iainana isika izao. Nanteriny fa anisan’ny nahatonga […]
Andoharanofotsy: olona mianaka may tao an-tsena
Nitrangana haintrano tetsy Malaho Bevalala,omaly maraina. Nirehitra ny tsena fivarotana iray eo akaikin’ny tobin-dasantsy eny an-toerana. Main’ny afo, nandritra izany, ny renim-pianakaviana iray sy ny zanany kely, izy ireo izay mpivarotra ao amin’io tsena io. Voa mafy noho ny ratra nahazo azy ilay renim-pianakaviana, tompon’ny tsena. Nentina nankany amin’ny mpanao […]
Fanafihana mitam-piadiana: raim-pianakaviana sy ny zanany maty voatifitra
Nitrangana fanafihana mitam-piadiana, ny tolakandron’ ny talata lasa teo, tany amin’ ny fokontany Sambosotsy, kaominina Behisatsy, distrikan’i Beroroha. Nifanehitra tamin’ny jiolahy mirongo fitaovam-piadiana ny fianakavianakely, telo mianaka, handeha hamonjy fodiana rehefa avy namonjy tsena tany Behisatsy. Nandeha moto izy ireo no nosakanan’ ny jiolahy tamin’ny lalana ary nambanany tamin’ny basy. […]
Baolina kitra – Can 2025: hiady tsy hihintsana i Comores, anio
Niala sasatra ny ekipa rehetra miatrika ny Can 2025 any Maroc, omaly, ary samy nankalaza ny fetin’ny Krismasy avokoa. Efa tapitra nahavita ny andro voalohany avokoa izy ireo. Hitohy anio ny fifanintsanana ka hisantatra izany indray ny vondrona “A” sy ny “B”. Anisan’ny lalao hahaliana ny rehetra ny an’i Comores […]





