Taratra

Fikasana hanafika : Jiolahy roa lavon’ny balan’ny polisy

Lavon’ny balan’ny polisy omaly maraina ny jiolahy roa, nikasa hanao fanafihana mi­tam-piadiana tany Toamasina. Nisy olona tsara sitrapo nampandre ny polisy fa misy andian-dehilahy mikasa sy mikononkonona hanao asa ratsy tao Tanamakoa. Tsy niandry ela fa tonga nidina ifotony nijery ny zava-misy avy hatrany izy ireo taorian’ny antso. Nifanehatra tamin’ny […]

Kamiaobe tapaka hisatra : Taxibe iray voafaoka, mpitaingina moto maty

Maty ny lehilahy mpitaingina moto iray, omaly. Voafaokan’ny kamiao be tapaka hisatra teny Alakamisy Ambohidratrimo izy. Taxibe iray koa voadoana, naratra ny mpanampy ny mpamily. Nitrangana lozam-pifampivoizana namoizana aina indray tetsy Ala­kamisy Ambohidratrimo, omaly hariva tokony tamin’ny 4 ora sy sasany. Niseho teo amin’ny lalana akaikin’ny tobin-tsolika Total Alakamisy Ambohidratrimo […]

Lomano-Afrika Zone IV: Laharana faha-3 i Madagasikara

Nisongadina indray ny Ma­­lagasy mpilomano, nandritra ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, faritra faha-4, taranja lomano, notontosaina tany Manzani Eswatini, ny he­ri­nan­dro lasa teo. Medaly 28 be izao no azon’izy ireo, volamena 10, volafotsy 11 ary alimo 7. Noho io vokatra io, tafapetraka eo amin’ny laharana faha-3 amin’ny firenena 12 nandray […]

SOMBIM-BAOVAO

Nanomboka omaly, tao amin’ny Kianja Rabemananjara, ny fanazarantena voalohany ho an’ny ekipan’ny Fosa Juniors FC. Tafiditra ao anatin’ity fanazarantena ity ny famerenana aina, ny fiomanana ny taom-pilalaovana manaraka ary ny fitsapana mpilalao vaovao. Nambaran’ny Fosa JR fa misy fandaminana vaovao ny eo anivon’ny Staff teknikan’izy ireo. Lalao anisan’ny nandrasan’ny maro, […]