Niara-nivory ho fanamafisana ny fiaraha-miasa ny solontena avy amin’ny masoivoho amerikanina sy ny eo anivon’ny minisiteran’ny Fitsarana, teny Faravohitra, omaly. Nivoitra tamin’izany ny ho fanatsarana ny fiaraha-miasa entina hanatsarana ny fandraharahana ny fonja. Nialoha ny fihaonana ny fananganan-tsaina. Nambaran’ny minisitry ny Fitsarana, Rakotomandimby Benjamin Alexis, ny fisaorana ireo rehetra nikarakara […]
Taratra
INDRAY MIJERY
Handrafitra ny mety ho toetry ny andro amin’ity fiandohana sy ny faran’ny herinandro ity ny tsiokan’ny alizay malefaka. Hahazo vahana kosa izany amin’ny fisasahan’ny herinandro. Manodidina ny 5-24 °C ny maripana ny maraina ary eo anelanelan’ny 18-37 °C ny tolakandro. Mila mitandrina amin’ny fiovaovan’ny maripana. Mangatsiaka ny maraina sy ny […]
Mpiasam-panjakana : Isaina ireo mpandray fisotroan-dronono
Manomboka amin’ity herinandro ity ny fanisana faobe ireo mpiasam-panjakana mandray vola fisotroan-dronono amin’ny alalan’ny taratasim-bola. Ny minisiteran’ny Toekarena sy ny fitantanam-bola, amin’ny alalan’ny fitaleavana misahana ny karama sy ny fisotroan-dronono, no mikarakara ny fanisana. Raha ny fanisana teo aloha, mahatratra 144 125 ireo mpiasam-panjakana misotro ronono manerana ny Nosy. Miisa […]
Faritra Menabe: Zava-dehibe ny fiahiana ny maha olona
Nahazo ny anjarany nandritra ny fitsidihana nataon’ny Filoham-pirenena tany amin’ny faritra Menabe ny fampivoarana ny andavanandron’ny mponina. Ho fanamafisana ny vina fampandrosoana sy fiahiana ny maha olona, adraikitry ny minisiteran’ny Mponina sy ny firaisankina, tarihan-dRamatoa Razafinjato Aurélie, tokantrano marefo, ahitana zokiolona, vehivavy mananotena sy olona manana fahasembanana ary voafonja miisa […]
Ymagoo sy EMIT – Oniversiten’i Fianarantsoa : Mamolavola tanora ho matihanina momba ny sarimihetsika
Mahomby ny fiaraha-miasan’ny sehatra tsy miankina sy ny oniversite miankina amin’ny fanjakana amin’ny famolavolana tanora ho matihanina amin’ny saripika sy ny sarimihetsika. Malaza ivelan’ny Nosy ny sanganasa vitan’ireo mpianatra. Manamafy ny fiaraha-miasa natomboka ny taona 2017 no ho mankaty ny orinasa Ymagoo sy ny sekoly ambony Ecole de management et […]




