Taratra

Farmasia : Fiaraha-miasa Yas sy Meditect

Natao sonia omaly, ny fiaraha-miombon’antoka eo amin’ny Yas sy ny orinasa Meditect. Miompana amin’ny fampiasana ny teknolojia niomerika amin’ny fikarakarana sy ny fikirakirana ny antontan-taratasy amin’ny lafiny fivarotana fanafody ny fiaraha-miasa izany. Vahaolana mahomby amin’ity sehatra ity, izay voalohany aty Afrika, ny fampiasana azy. Hanamora ny asan’ny farmasiana amin’ny fikarakarana […]

Ladoany : Fitantanana vaovao eny amin’ny seranan-tsambo

Nametraka paikady vaovao ny Haban-tseranana malagasy handrindrana ny fitantanana eny amin’ny seranan-tsambo. Nohamafisina ny fanaraha-maso manaraka ny fenitra iraisam-pirenena. Tsy mirindra ny asa eny amin’ny seranan-tsambo hatramin’izay, satria be loatra ny sampandraharaha, miadana ny fomba fiasa. Manana fomba fiasa vaovao ny ladoany entina hanamorana izany, sady manaraka ny fenitra iraisam-pirenena. […]

SOMBIM-BAOVAO

Efa samy manoman-tena hiatrika ny lalao karakarain’ny Kaonfederasionina afrikanin’ny baolina kitra (Caf) avokoa ny ekipa roa solontenan’i Mada­gasikara, ny Elgeco Plus sy ny AS Fanalamanga. Manana vina ny ho tafita lavitra amin’ity fifanintsanana afrikanina ity ny roa tonta, saingy hatramin’izao, tsy mbola fantatra mazava ny toerana handraisan’izy ireo ny lalao […]

Judo-Afrika Vétérans : Medaly 8 azon’ny Malagasy

Tsy nitsanga-menatra ny Malagasy niatrika ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, taranja judo, sokajy Vétérans. Fifanin­tsanana afrikanina notanterahina tany Maorisy, ny alakamisy lasa teo izy ity. Malagasy mpikatroka dimy no nahazo medaly volamena ary voahosotra ho tompondakan’i Afrika. Anisan’izany Andriambelo Noelson, teo amin’ny sokajy Men M3 -66kg, Ralijaona Floriano, (Men M4 […]