Taratra

Hafatry ny fivondronamben’ny Eveka : « Aoka isika hahay haka lesona amin’ny tantara »

Nampita hafatra tahaka ny fanaony, isan-taona amin’ny fetin’ny Noely sy ny taona vaovao tahaka izao, ny eo anivon’ ny fivondronamben’ny Eveka (Fem). Nambaran’ny filohan’ny Fem, ny evekan’i Mo­ron­dava, ny Mgr Ra­hari­lamboniaina Fabien, fa ao anatin’ny krizy amin’ny toekarena sy sosialy, politika ary tontolo iainana isika izao. Nanteriny fa anisan’ny nahatonga […]

Andoharanofotsy: olona mianaka may tao an-tsena

Nitrangana haintrano tetsy Malaho Bevalala,omaly maraina. Nirehitra ny tsena fivarotana iray eo akaikin’ny tobin-dasantsy eny an-toerana. Main’ny afo, nandritra izany, ny renim-pianakaviana iray sy ny zanany kely, izy ireo izay mpivarotra ao amin’io tsena io. Voa mafy noho ny ratra nahazo azy ilay renim-pianakaviana, tompon’ny tsena. Nentina nankany amin’ny mpanao […]

Fanafihana mitam-piadiana: raim-pianakaviana sy ny zanany maty voatifitra

Nitrangana fanafihana mi­tam-piadiana, ny tolakandron’ ny talata lasa teo, tany amin’ ny fokontany Sambosotsy, kao­minina Behisatsy, distrikan’i Beroroha. Nifanehitra tamin’ny jiolahy mirongo fitaovam-piadiana ny fianakavianakely, telo mianaka, handeha ha­mon­jy fodiana rehefa avy na­monjy tsena tany Behisatsy. Nande­ha moto izy ireo no no­saka­nan’ ny jiolahy tamin’ny lalana ary nambanany tamin’ny basy. […]

Tratra ny iray tamin’ireo nahavanon-doza: mpamily taxi hita faty tao an-davapiringa

Raim-pianakaviana iray, mpitondra taxi, hita faty nafatratry ny olon-dratsy tao anaty sinibe ary nalatsany tany anaty lavapiringa, ny 24 desambra teo, tetsy Alasora. Tsy niandry ela fa tratran’ny polisy, omaly, ny iray tamin’ireo olon-dratsy. Voasambotry ny polisim-pirenena avy amin’ny CSP Alasora, teny Ambo­hi­mangakely Ikianja, fokontany Ambovokely, omaly, ny le­hilahy iray […]