Hanomboka rahampitso, any New York, ny fivoriamben’ny Firenena mikambana (ONU), andiany faha-80. Miisa 193 ireo firenena handray anjara amin’izany ka anisany i Madagasikara. Anisan’ny lohahevitra lehibe amin’ity fihaonana an-tampony ity ny 80 taonan’ny ONU, nanehoana ny fiaraha-mientana ho amin’ny filaminana sy fandriampahalemana ary koa ny fampandrosoana sy ny fiarovana ny […]
Taratra
Fa na beazana…
8 septambra, Andro iraisam-pirenena ho an’ny fahaizana mamaky teny sy manoratra. Zava-dehibe ho an’ny fampandrosoana ny maha olona sy ny firenena. Eo ny hoe ny tsy fahalalana ny tsy fahalalan’ny tena no tsy fahalalana voalohany. Ilaina mandrakariva ny mianatra, mahay… 8 septambra, fidiran’ny mpianatra koa amin’ny taom-pianarana 2025-2026. Amin’ny […]
Filoha Rajoelina Andry: Nitokana fotodrafitrasa maro
Nahazo fotodrafitrasa maro i Morondava. Tonga nitokana izany tany an-toerana ny filoham-pirenena Rajoelina Andry. Biraon’ny fitaleavam-paritry ny asa, biraon’ny fitaleavam-paritry ny filaminam-bahoaka misy efitra 22, lalana rarivato 1,6 km Andakabe-Andabatoara, EPP manara-penitra misy efitra 24, kianja manara-penitra mahazaka olona 4 000… Ireo no notokanan’ny filoha Rajoelina Andry niaraka tamin’ny delegasionina notarihiny, […]
Orinasa Patapon : Nanamafy ny fifandraisany amin’ny mpanjifa
Ho fanamafisana indray ny fifandraisan’ny orinasa Patapon sy ny mpanjifany, notanterahina omaly, teny Andraharo, ny famaranana ny “Tombola Patapon millionnaire”. Hetsika lehibe, nahasarika olona maro. Nahatratra 1 tapitrisa teo ny mpandray anjara tamin’izany, avy amin’ny faritra efatra. Anisan’izany Antananarivo, Antsirabe, Mahajanga, ary Toamasina. Maro ny loka efa nomanina. Miisa 14 […]
VAOVAO TAMBATRA
Nitombo ho adiny 4 ny delestazy eto Antananarivo, nanomboka ny alakamisy teo, raha adiny 3 tany aloha. Manomboka amin’ny 5 ora maraina hatramin’ny 9 ora maraina ny faharetany. Misy koa ny tolakandro amin’ny 12 ora hatramin’ny 4 ora hariva. Vao manomboka ny haintany, ary ho azo antoka fa vao mainka […]




