Nahazo fitaovam-pianarana avy amin’ny fikambanana Rotary Mahamasina ny mpianatra 270 avy amin’ny kilasy Asama mianatra eny anivon’ny sekoly valo eto Antananarivo. Hetsika efa fanao nandritra ny taona maro ny fampitaovana ahazoan’ny ankizy miatrika fanadinana rehefa tapitra ny taom-pianarana. Ho fiatrehana ny taom-pianarana vaovao 2025-2026, nanolotra fitaovam-pianarana (kitapo, kojakojam-pianarana, aronakanjo…) ny […]
Taratra
Fifanintsanana Mondial 2026: Vonona haka isa 3 indray ny Barea
Hifantoka atsy Maroc daholo indray ny sain’ny mpitia baolina kitra anio. Hotanterahina any mantsy ny andro fahavalo amin’ny fifanintsanana hiadian-toerana ho an’ny “Mondial 2026”, sokajy I. Hifanandrina amin’izany ny Barean’i Madagasikara sy Tchad. Vonona haka isa telo indray ny ekipam-pirenena malagasy amin’ity. Na izany aza, nambaran’i Corentin Martins, mpanazatran’ny Barea […]
Rugby – Amboaran’i Madagasikara: Mbola voatazon’ny Cosfa ny maha tompondaka azy
Tsy niova tanana ny nahazo ny amboaran’i Madagasikara 2024, taranja rugby. Mbola norombahan’ny Cosfa miaramila izany, omaly, tetsy Andohatapenaka, rehefa lavon’izy ireo tamin’ny moka fohy, teo amin’ny dingan’ny famaranana, 40 no ho 39, ny FTM Manjakaray. Raha hiverenana kely, ny fifanandrinana teny an-toerana, hita ho tena niady tanteraka ny lalao, […]
DAKA AN-JORONY: Ataovy toy ny sinibe manga roa
Niteraka hevitra samihafa ny fanomezana natolotra ho an’ireo mpilalao sy ny mpanazatra ny Barean’i Madagasikara, taorian’ny nahazoany ny laharana faharoa nandritra ny Chan natao tany Kenya, ny faran’ny volana aogositra lasa teo. Ankoatra ny lelavolabe sy ny fanampiana isam-bolana azon’ny tsirairay, mbola nomena villa ihany koa izy ireo. Nanaitra ireo […]
Taranja tolona – Beach Wrestling Africa 2025: Tsy nintsanga-menatra ny Malagasy fa nitondra medaly roa
Na dia teo aza ny olana nianjady tamin’ny atleta malagasy, nitondra medaly roa, alimo sy volafotsy, izy roa mianadahy, izay niatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, Beach Wrestling Africa 2025. Notanterahina tany Casa Blanca Maroc, ny 3 hatramin’ny 7 septambra lasa teo, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja […]




