Miompana amin’ny hananganana rafitra ara-tsakafo maharitra sy famokarana ara-tsakafo ny tetikasa “Food Systems Land Use and Restoration» (Folur). Tanjona ny hitantanana maharitra velarantany 86 000 ha manerana ny Nosy, ka haverina amin’ny laoniny ny 10 000 ha amin’izany. Miisa 30 000 ny tantsaha mpamokatra vary sy kafe hotohanana. Harovana manokana sy tahirizina ny […]
Taratra
Faritra Boeny: zanaka honko miisa 10 000 voavoly
Nosantarina ny 23 desambra teo ny taom-pambolen-kazo 2025 any amin’ny faritra Boeny. Miisa 10 000 ny zana-kazo honko, karazany roa, nambolena any amin’ny ala honko ao Manapatanana-Amborovy, eo an-tampon-tanànan’ i Mahajanga. Novokarina tany amin’ny tanin-jana-kazon’ny fikambanana Anareo mbola havanay (AMH) ireo zana-kazo honko ireo. Nampahafantarina sy nanentanana ny rehetra ny fomba […]
Tetikasa Sahofika: mila 1,2 miliara dolara hananganana tohodrano
Efa novolavolaina tamin’ny taona 2014-2015 ny tetikasa fananganana tohodrano hamokatra herinaratra, manana tanjaka 300 MW. Efa vonona ny mpamatsy vola fa ny fanjakana malagasy sisa no andrasana. Famokarana goavana indrindra eto Madagasikara rehefa tanteraka ny tetikasa Sahofika. Any amin’ny faritra Vakinankaratra sy Amoron’i Mania ny toerana hananganana ny tohodrano, mamokatra […]
“Noely fifaliana 2025″: niara-paly ny fianakaviamben’ny Foloalindahy
Niompana tamin’ny lohahevitra “Noely fifaliana” ny fankalazana ny fetin’ny Noely nokarakarain’ny minisiteran’ny Foloalindahy (MFA) notarihin’ny minisitra, ny Jly Razafitombo Maminirina Ely mivady, ny sabotsy teo, tao amin’ny MFA Ampahibe. Fanompoam-pivavahana no nanombohana izany. Notarihin’ny raiamandreny am-panahy eo anivon’ny fitazaim-panahy anivon’ny MFA. Nitohy tamin’ny kilalaon’ireo zanaky ny mpiasa sy ny soradihy […]
Fankalazana ny noely: mitety hopitaly ny mpanao asa soa
Amin’izao ankatoky ny fetin’ ny Noely sy ny faran’ny taona izao, nahatsiaro ny marary manaraka fitsaboana etsy amin’ny CHU JRA ny fiangonana FVK FM tamin’ny alalan’ny sampana ara-tsosialy ao aminy. Nanome vary, menaka, savony sy kojakoja ilaina andavanandro izy ireo. Indroa isan-taona no hanatanterahina izany hetsika fanohanana ny marary izany, […]





