Taratra

Fifanjevoana teny amin’ny HCC: vita fianianana ihany ny mpikambana vaovao

Tafapetraka tamin’ny toerany ihany, halina, ny mpikambana vaovao ao amin’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana. Taorian’ny savorovoro, niafara tamin’ny fiakarana teny Iavoloha, niravona ny olana. Nahavita ny fiainianany ireo mpikambana vaovao miisa telo eo anivon’ny HCC. Niainga tamin’ny fanendren’ny filoham-panjakana izany. Anisan’izany Tianjanahary Andriamalaza sy Rasolofonjatovo Norovola Ha­ritiana ary Andriamampandry […]

Halatra moto: telo lahy voasambotra

Mirongatra ny halatra moto eto an-dRenivohitra, amin’izao vanim-potoana ankatoky ny fety izao. Lehilahy miisa telo voasambotry ny zandarimaria miasa eo anivon’ny tobim-paritra Itaosy vokatry ny fiaraha-miasa amin’ny zandary eo ani­von’ny zana-tobim-paritra Ambavahaditokana sy Ambo­himamory, ny alin’ny alatsinainy 22 desambra lasa teo. Nalain’ny olon-dratsy ny moto scooter iray, tao amin’ny fokontany […]

Olon-dratsy iray tratry ny fokonolona: mpandanja volamena notafihin’ny jiolahy efa-dahy

Notafihin’ny jiolahy miisa efatra ny vehivavy iray mpandaja volamena tany Andranomangatsiaka Maevatanàna, omaly, tokony ho tamin’ny 2 ora maraina. Azon’ny fokonolona ny iray tamin’ireo olon-dratsy. Nisaron-tava sy nirongo fitaovam-piadiana toy ny basy ireo olon-dratsy. Nandrasan’ireto farany teo akaikin’ny trano fonenany ity vehivavy ity rehefa nikasa handeha hamonjy tsena maraina. Niantso […]

Lakandranon’i Mozambika: arahi-maso ny mety ho fiforonana rivodoza

Noely anaty orana! Raha ny vinavina anatin’ny 5 andro, hahazo vahana ny hamandoana noho ny rotsakorana. Ahina ny ho fiforonan’ny rivodoza. Nilaza ny firafitra ankapoben’ny toetry ny andro ny Meteo malagasy. Nambaran’izy ireo fa raha ny sary azo avy amin’ny zanabolana sy ireo maridrefy amin’ny morontsik’i Mozambika dia misy tambolon-drivotra […]

Anosibe Andrefana I: trano 60 tafo mahery narodana

Narodan’ny andian-dehilahy maro, notronin’ny mpitandro filaminana, ny trano manodidina ny 60 tafo tetsy Anosibe Andrefana I, omaly, tamin’ny 6 ora maraina. Navoakan’izy ireo avokoa ny entana rehetra tao an-trano. Niteraka savorovoro sy ahiahy teo amin’ny mponina izany satria tsy nisy ny fifampiresahana sy fampahafantarana mialoha ny fandrodanana, raha ny nambaran’ireo […]