Taratra

Fanaovam-baksiny: Notolorana moto miisa 1 432 sy fiara ny CSB 2

Tafiditra amin’ny Politika ankapoben’ny fanjakana ny fampitaovana ny tobim-pahasalamana sy ny fampakarana ny tahan’ny fanaovana vaksiny. Notoloran’ny fanjakana sy ny mpiara-miombon’antoka fiara sy moto vaovao ny CSB2, omaly. Sehatra iray, anisan’ny laharam-pahamehan’ny fanjakana, tarihin’ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, ny fahasalamam-ba­hoaka. Voakasik’izany mivantana ny fanaovam-baksiny, amin’ny alalan’ny Fandahara­nasa nasionaly na ny […]

Fahapoizinana ara-tsakafo: Mitaky ny marina Ratsiraka Roland

Mitaky ny marina manoloana ireo fahafatesan’olona tato ho ato ny depiote Ratsiraka Roland. Anisan’izany ireo mpanakanto roa maty sy ny iray mbola tsaboina hatramin’izao. 26 ireo narary tany Antsiranana noho ny fahapoizinana ara-tsakafo. Nohitsiny fa tena heloka bevava ny lainga momba ny fahasalamam-bahoaka. Mitovy amin’ireo teny Ambohimalaza sy tany an-kafa […]

Fanolorana ny kabeson’ny Ampanjaka: Hidina ifotony any Menabe ny filoha Rajoelina

Hidina ifotony any amin’ny faritra Menabe ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, manomboka rahampitso ha­tramin’ny sabotsy ho avy izao. Anisan’ny anton-diany any amin’iny faritra iny ny hanolotra ny kabeson’ny Ampanjaka Toera amin’ireo taranany sy ny kabeson’ireo miaramila roa hafa mpitari-tafika. Hisy ny lanonana ara-kolontsaina sy ny fombafomba hatao ho mariky ny […]

Fiaraha-miasan’ny MFFT sy ny Pnud: Nofanina hitady loharanom-bola ny ben’ny tanàna

Mitohy ny fampiofanana makahasika ny fitadiavana loharanom-bola ho an’ny ben’ny Tanàna. Miandraikitra ny fifampizarana ny eo anivon’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fananan-tany. Anisan’ny ezahan’ny mi­nisitera amin’izany ny fanampiana ny mpitantana eny ifotony ka anisan’ny nisitraka fampiofanana ny ben’ny Tanàna, ho an’ny faritra Analamanga, omaly. Nia­rahana amin’ny eo anivon’ny Pnud sy […]

Rakotoarijaona Jerry : « Sarotra ny fanaovana politika eto Madagasikara amin’izao »

Aiza ho aiza ny tontolo sy ny fanaovana politika amin’izao? Maneho ny fijeriny ny mpandrindra ny vovonana Jeunes patriotes révolutionnaires Malagasy (JPRM) sady filoha nasionalin’ny Vahaolana anio sy rahampitso (Var), Rakotoari­jaona Jerry: “Sarotra ny fanaovana politika eto Madagasikara amin’izao. Lasa mandalo fotoan-tsarotra ny fanaovana politika; eny, na ny mpanao politika […]