Taratra

TSELATRA

Tafakatra 35 ireo maty tamin’ny raharaha fahapoizinana niseho teny Ambohimalaza, ny 14 jona lasa teo. Tovovavy 20 taona antsoina hoe: Deborah indray no namoy ny ainy, omaly maraina. Efa nandroso fahasalamana izy taorian’ny fitsaboana natao taminy. Saingy niha sempotra sy niha mafy indray izany taty aoriana ka tsy maintsy naiditra […]

Tsenan’Anosibe : Lehilahy roa tratra nandroba mpivarotra

Voasambotry ny mpiambina sy ny fokonolona tetsy amin’ny Tsenan’Anosibe, omaly tamin’ny 4 ora tolakandro, ny jiolahy roa. Nanafika toeram-pivarotana iray teny an-toerana ny lehilahy telo tsy nisaron-tava sy nirongo basy. Namba­nan’izy ireo tamin’ny basy ilay mpivarotra ary nitaky ny vola rehetra tao amin’io fivarotana io izy ireo. Niantso vonjy sy […]

Fikasana hangala-bary : Namono tena tamin’ ny poizim-boalavo ilay mpiambina

Maty namono tena tamin’ny poizim-boalavo, ny talata lasa teo, ny lehilahy iray 23 taona. Mpiambina trano fitehirizam-bokatra iray eny Fonenana, kaominina Imerintsiatosika, distri­kan’Arivonimamo izy io. Nikasa hangalatra vary akotry tao amin’io toerana nandrasany io izy. Efa nitondra fiara hitaterana ireo vokatra saingy nampandre ny tomponandraikitra ny mpamilin’ny fiara. Naharay antso […]

Karate – Madagasikara: Handray ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika

Anisan’ny fanamby napetraky ny Federasionin’ny karate-do malagasy ny hivelaran’ ny Malagasy atleta eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena sy hahazoana vokatra tsara. Po­rofon’izany ny vokatra azon’ny Malagasy mpikatroka niatrika ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika natao tany Nizeria farany teo. 11 mianadahy no nisolo tena ny Malagasy tamin’izany ka nahazo ny tapakila hiatrehana […]