Manahirana, tsy hita be ihany ny andraisana ireto vahoaka malagasy tsimandadiharona ireto. Toa mila voatsiary amin’ izay zava-miseho. Efa misy ny ezaka ataon’ny mpitondra fa mbola mimenomenona ihany ny ankamaroany. Tsy mahay mankasitraka kanefa tsy mandray andraikitra ny ankamaroany. Ny tsy manao ihany koa moa no mimenomenona. Raha ny zava-misy […]
Taratra
Antoko PSD: « Tsy azo ekena intsony ny zara vilana… »
Nitondra ny heviny ary hanolotra Lalàmpanorenana hoentina amin’ny fikaonandoham-pirenena ny avy amin’ny antoko PSD, tarihin’i Eliana Bezaza. Nambarany tetsy Mandroseza, omaly, fa tonga amin’ny kihon-dalan’ny tantara isika, taorian’ny faharavan’ny fitondrana teo aloha, vokatry ny fitakian’ny tanora miandrandra fiainana tsaratsara kokoa. Manoloana izany, nilaza ho mahatsiaro manana adidy ny PSD hitondra […]
Fitsarana avo momba ny Lalampanorenana: mpanolotsaina ambony miisa telo nosoloina, omaly
Nosoloin’ny fitondram-panjakana, omaly, ny mpanolotsaina ambony eo anivon’ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana. Voalaza fa nametra-pialana izy ireo saingy mitsipaka izany izy telo mianadahy. Namoaka didim-panjakana lah. 2025-1965 ny filohan’ny Fiadidiana ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, ny kolonely Randrianirina Michaël, omaly, nampitain’ny sekretera jeneralin’ny governemanta, Razafimanantsoa Heritiana Joël. Tsy inona […]
Nosy Be Hell-Ville: jiolahy dimy naiditra am-ponja
Notanana am-ponja ny 19 desambra teo ireo dimy lahy mpanao asa ratsy voasambotry ny polisim-pirenena tao Nosy Be Hell-Ville. Nitrangana fanafihan-jiolahy tao amin’ny tokantrano iray anatin’ny fokontany Ambalamanga Befitina, ny alin’ny 11 desambra lasa teo. Nitondra fitaovam-piadiana sady nampiasa pilotra ireo mpandroba ka tsy nisy afa-namaly ny tompon-trano. Noteren’ireo mpanao […]
Fitandroana ny fetin’ny Noely sy faran’ny taona: ampitomboina ny polisy miasa eny an-dalambe
Nanao fanambarana tetsy Anosy, ny avy amin’ny polisim-pirenena, omaly. Nanaovan’izy ireo tatitra ny mahakasika ny fandaminana mandritra ny fetin’ny Noely sy ny faran’ny taona ary ny fitsenana ny taona vaovao 2026 hoavy izao. “ Hiantsehatra manerana ny Nosy ny polisy mba hahafahan’ny Malagasy isan-tokantrano sy manerana ny Nosy rehetra mifety […]





