Taratra

Taxi-be 015 nandika lalàna: Voasambotra ny mpamily

Taorian’ny fiparitahan’ny tranga mahakasika fandikan-dalàna nataon’ny taxi-be 015 iray tamin’ny tambajotran-tserasera, afakomaly. Nandray andraikitra avy hatrany ny polisim-pirenena ka nikaroka ilay fiara. Vokany, voasambotra omaly tolakandro, tetsy Maroroho Tsimbazaza ny mpamily sy ny mpanampy mpamilin’io fiara io. Nentina sy notazomina ary miatrika fanadihadiana eny amin’ny Brigade des accidents de la […]

Saika hatakalo tamin’ny banky : Lehilahy iray nahatrarana vola sandoka 10 000 dolara

Miatrika fanadihadiana eny amin’ny biraon’ny zandarimaria any Mahajanga ny lehilahy iray nahatrarana vola vahiny sandoka mitentina 44 tapitrisa Ariary. Avy aty Antananarivo ary nokasainy hatakalo tany amin’ny banky Mahanjanga ireo vola ireo. Voasambotry ny zandary avy ao amin’ny tobim-paritr’i Mahajanga, oma­ly, ny lehilahy iray nampiasa sy nitondra vola vahiny sandoka. […]

Resevera nangalatra namily : Taxi-be nivarina an-kady, mpandeha 16 naratra

Latsaka tanaty hantsana ny taxi-be iray, omaly, teny Ambohidratrimo. Naratra vokatr’izany ny mpandeha 16 ka ny iray mbola miady aina. Voalaza fa resevera nangalatra nitondra fiara ity tra-doza ity. Nandray an-tanana ny fitsaboana ny tompon’ny fiara. Zava-doza no nihatra ta­min’ireo mpitaingina ta­xi-be hihazo an’Ala­ka­misy Ambohidratrimo, omaly maraina. Nivarina an-kady ny […]

Vokatra tsara tamin’ny “Chan 2024” : Nampihantain’ny Yas Madagascar ny Barea

Taorian’ireny vokatra tsara azon’ny Barea A’, nandritra ny “Chan 2024” ireny, noraisin’ny orinasa Yas teny Andraharo izy ireo, omaly. Ho fankasitrahana ny ezaka vitan’izy ireo, nisy ny fanolorana tambin-karama “prime” sy finday ho an’ny mpilalao sy ny staff ekipam-pirenena malagasy. Tsara ny mampahatsiahy fa nisalotra ny medaly volafotsy ny Barean’i […]

SOMBIM-BAOVAO

Nanatanteraka fiofanana ho an’ny Maître de salle ny ligin’ny Karate-do Anôsy, ny faran’ny herinandro teo. Fiofanana notarihin’ny mpanazatra iraisam-pirenena, Shihan Georges Hafizou, sy ireo mpanazatra nasionaly. Nisy ny fanolorana mari-pankasitrahana taorian’ny fiofanana. Hotanterahina ao amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny 4 hatramin’ny 14 septambra izao, ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara N1A […]