Taratra

Mpanjono ao Melaky : Nanolotra fotodrafitrasa vaovao ny minisitera

Manankarena amin’ny resaka hazandrano tokoa ny faritra Melaky, indrindra any amin’ny distrikan’i Maintirano sy Antsalova. Mba hanohanana ireo mpanjono madinika sy hampakarana ny fari-piainan’izy ireo, natolotry ny minisiteran’ny Jono sy ny toekarena manga (MPEB), izay tarihan’ny minisitra Mahatante Pau­bert, ny fotodrafitrasa lehibe ahafahana mitahiry sy manatsara ny fitantanana ny vokatra. […]

Matin’ny sitrany ahay!

  Miseholany, tsy misy fiafarany ny lozam-pifamoivoizana etsy sy eroa. Tampoka sy tsy mampilaza fa indray mipi-maso dia any anaty hantsana. Ny maratra maratra, ny miady aina miady aina, ny maty moa dia any Ambondrombe avy hatrany. Tsy misy fampilazana, na antony bitika aza dia mampiditrandro. Mila fitandremana sy fiambenana […]

Base Toliara : Madiva hifarana ny fanamboarana fotodrafitrasa sosialy

Mitohy ny fampiasam-bola ataon’ny Base Toliara miompana amin’ny fanohanana ara-tsosialy ny mponina. Mandroso ny tetikasa ary azo tsapain-tanana ny zava-bita. Anisan’izany ny fanarenana ny EPP Ankilima­linike sy Benetse, distrika Toliara II. Vita hatrany amin’ny 80% ny asa, ankehitriny. Tratra ny fe-potoana napetraka satria hentitra ny fanatanterahana azy. Nilaza ny mpandrindra […]

TSELATRA

Ankizivavy roa tsy ampy taona tra-tehaky ny Polisy niditra tao amin’ny toerana tsy azo idiran’ny zaza tsy ampy taona tany Ambatondrazaka. Hita nandritra ny fanaraha-maso ireo toeram-pisotroana sy toeram-pialamboly rehetra misokatra amin’ny alina, nataon’ny Polisim-pirenena avy ao amin’ny kaomisaria Ambatondrazaka, ny alatsinainy teo, izany. Niarahan’izy ireo tamin’ny Brigade féminine de […]

Fikasihan-tanana vehivavy bevohoka : Naiditra vonjimaika am-ponja ilay ben’ny Tanàna

Nalefa vonjimaika eny amin’ny fonjaben’ny Feno­arivo Atsinanana, afakomaly, ny ben’ny Tanànan’ny kaominina Antsiatsiaka, disitrikan’i Fenoarivo Atsinanana, Ran­driamanana Jean Fidel, taorian’ny fiakaran’ny raharaha fampanaovana teny anivon’ny fitsarana. Naharitra ora maro ny fihainoana ny niharam-boina sy ny vavolombelona ary ny fitanana an-tsoratra ilay voarohirohy sy ireo mpiara-dia aminy. Vesatra anenjehana azy ny […]