Nivoaka ny arabe, nifatratra tany ambany tetezana ny fiara mpitatitra iray teny amin’ny lalam-pirenena fahefatra, omaly maraina. Mpandeha am-polony naratra. Olona roa tamin’ireo mpandeha am-polony voa mafy taorian’ny lozam-pifamoivoizana teny amin’ny lalam-pirenena fahefatra teo amin’ny tetezan’i Ikalamilotra, kaominina Berivotra 5×5, distrikan’i Maevatanàna, omaly maraina. Niainga ny tolakandron’ny alahady 21 desambra […]
Taratra
Rugby-Jobily faha-125 taona: tsy tafavoaka teo anatrehan’ny CEA ny Cosfa
Notanterahina omaly, teny amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka, ny fankalazana ny jobily faha-125 taonan’ny Rugby Malagasy. Lavon’ny CEA Andranomanalina tamin’ ny isa 25 no ho 22, ny Cosfa. Tsy tafavoaka teo anatrehan’ny mpilalaon’ny CEA, ny Miaramila, tamin’ity lalao fihantsiana ity. Raha hiverenana kely ny fifanandrinana, nanindry ny CEA tao anatin’ny 23 […]
Nosy Be: vahiny iray nahatrarana zava-mahadomelina 8,5 kg
Voasambotry ny mpiasan’ny ladoany ao Nosy Be, ny sabotsy 13 desambra, ny lehilahy teratany Letton (avy any Letonia) iray. Tratra tao amin’ny seranam-piaramanidina iraisam- pirenena Nosy Be izy, saika hanondrana zava-mahadomelina hihazo an’i La Réunion tamin’ny zotra Air Austral. Nampiahiahy ny mpiasan’ny Fadintseranana ny entana nentiny, ka nasain’izy ireo nosokafana […]
Fadintseranana: «Ampy izay ny tsindry politika», hoy ny Sempidou
Lany faninefany hitantanana ny Sendikan’ny mpiasan’ny ladoany (Sempidou), Andrianavalona Herizo Ramanambola. Mandritra ny telo taona ny fe-potoana hiasany (2026-2028). Fanamby vaovao hoentiny ny fametrahana ny lanjan’ny sendikà hanajana ny tombontsoan’ny mpiasan’ny Fadintseranana, ny hiarovana ny zony, ary afaka miasa an-kalalahana. Manana ny toerany eto amin’ny firenena ny Sempidou, indrindra amin’ny […]
Maro ny lesoka mila harenina: 25 % ny harin-karena no entin’ny fambolena
Natao ny 18 desambra teo ny atrikasa namoahana ny fanadihadiana ireo foibem-pikarohana sy rafi-panjakana ara-pambolena eto Madagasikara. Ahitana ny Fofifa, ny Fifamanor, ny Sampandraharaha ho fanaraha-maso ny masomboly (Soc), ny Imvavet ary ny Cffamma, izany. Notsipihin’ny profesora Radanielina Tendro fa tsy mirindra ny fikarohana ara-pambolena eto Madagasikara ka mila fanarenana. […]





