Taratra

Ticad-9: Matotra ny fiaraha-miasa amin’i Japana

Nandray fitenenana ny praiminisitra Ntsay Christian tamin’ ny fivoriana mahakasika ny toekarena Ticad andiany faha-9, ny 21 aogositra teo, tany Yokohama Japana. Navoitrany fa zava-dehibe ny fiaraha-miasa stratejika amin’ny sehatra maro­­lafy eo amin’i Madagasikara sy i Japana. Anisan’izany, ny fampivoarana ny indostria, ny fanodinana ny harena an-kibon’ny tany sy ny […]

Arabe migodana: Hamatsy vola 60 tapitrisa dolara ny Abou Dhabi Funds

Laharam-pahamehana tokoa ny famatsiam-bola amin’ny fanamboaran-dalana. Anisan’izany ny arabe migodana vaovao sy ny fanarenana ny lalam-pirenena RN5. Noraisin’ny minisitry ny Asa vaventy (MTP), Rafi­dison Richard Théodore, sy ny mpiara-miasa aminy, ny talata 19 aogositra teo, ny de­legasionina avy amin’ny Tahi­rimbola Abou Dhabi ho an’ny fampandrosoana (ADFD). Noresahina ny tohiny sy […]

Antananarivo : 38 618 ireo nahazo ny diplaoma bakalorea

Nivoaka ny faran’ny herinandro teo teny amin’ny foibem-panadinana ny valin’ny fanadinana bakalorea ho an’ny faritanin’Antananarivo. Afaka nojerena tamin’ny ala­lan’ny finday koa izany vokatry ny fiaraha-miasa amin’ny orinasam-pifandraisana telo. 47,49% ny taham-pahafahana ka 38 618 ireo nahazo ny di­plaoma bakalorea hirosoana amin’ny fampianarana ambony. Manerana ny Nosy, 112 794 ireo mpiadina afaka […]

Faritra Ihorombe : Nisitraka tohana ireo sokajin’olona marefo

Notsimbinina manokana ireo zokiolona miisa 700 tamina distrika maromaro, ao amin’ny faritra Ihorombe. Nisitraka tohana sosialy miendrika fehezan-karona avy amin’ny fitondram-panjakana izy ireo. Zokiolona 300 ao Ihosy, 200 ao Iakora ary 200 ao Ivohibe. Tetsy andaniny, nahazo tohana ara-pitaovana ireo olona manana fahasembanana ka notolorana seza misy kodiarana ireo tena […]